Azo vahana ao anatin’ny 24 ora monja ny fahantran’ny vahoaka Malagasy, hoy ny FMI Malagasy na ny Fahefa-Mividy Izao. Raha manana hevitra tsara noho ny hevitray ianareo, hoy ny filohany Jean
Jacques Ratsietison dia harosoy izany hojerena fa vonona ny hifampitafa izahay. Ireo no nambaran’ny FMI Malagasy ny Alarobia lasa teo nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety. Efa diso latsa-paka loatra mantsy ny fahantran’ny olona noho ny resaka sandam-bola malagasy izay tsy mitsaha-mitotongana. Anisan’izany, hoy izy, ny antony mamparefo ny orinasa JIRAMA izay vokatry ny faharefon’ny isan-tokantrano ihany koa. Didim-panjakana ihany ho an’ny FMI Malagasy dia mihena hatrany amin’ny antsasany ny vidim-piainana eto amintsika. Lohalaharana amin’izany ny fanafoanana ny MID na ny Marché Interbancaire de devise, faharoa ny fametrahana ny fifanakaloana vola vahiny tsy miovaova ary fahatelo farany dia ny fampiakarana ho 100 % ny sandan’ny Ariary mihoatra ny vola vahiny mitakalo any ivelany. Nohazavain’ny filohan’ny FMI Malagasy moa fa efa nanaiky io soso-kevitr’izy ireo io avokoa ny 80%-n’ireo mpikambana teo anivon’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita sy ny fitondrana tamin’izany fotoana saingy navotsotr’izy ireo indray izany tamin’ny ora farany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.