Actualités

Flore et Aroma Hanafatra ilay karazam-bary hafakely avy any Antsiranana


  • Alatsinainy 07 Mey 2018

Betsaka aminintsika eto Madagasikara ankehitriny no manafatra ireo karazam-bary any ivelany izay lava fantsy sy miparitaka rehefa hanina.

Manana isika eto Madagasikara raha araka ny fanazavan-dRanaivo Rajaonarisoa Hantatiana, manajeran’ny orinasa Flore et Aroma.  Any Antsiranana no ahitana izany ka ny orinasa  tantanany no hanaparitaka izany eto amintsika. Ankoatra izay raha araka ny fanazavan’i Hantatiana hatrany dia ho avy tsy ho ela eny amin’ireo toeram-pivarotana lehibe eto amintsika  ihany koa ireo karazana kojakoja ilain’ny vehivavy vita amin’ny huile essentielle. Anisan’ireny ny shampoing, ny  menaka fanorana, ny gel douche, ny menaka fanao amin’ny vatana sy ny tarehy raha efa  namidin’izy ireo ny nampahafantariny ny mpanjifa teny amin’ny Foire International de Madagascar izay nifarana omaly kosa ireo   ranom-panafody ahosotra  hahafahana miady amin’ny kaikitry ny moka.  Vita amin’ny voasary makirana sy huile essentielle ary geranium izy ireo. Toraka izany koa  ireo  savony kely entina hanatsorana hozatra vita amin’ny huile essentielle, ny ravintsara, ny géranium…. Tsiahivina moa fa orinasa vao niorina tamin’ny taona 2008 ny Flore et Aroma ary tovovavy vao herotrerony tokoa no tompony.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT