Actualités

FLM Synodam-paritany faritra Atsinanana Nampidirina CNaPS ny katekista avy amina fileovana 4


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2019

Ampidiro CNaPS avokoa ny mpiasa Mpikarama amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana. Baikon’ny fitondram-panjakana izany.

 

 

 Mampihatra an’io ny synodam-paritany faritra Atsinanana izay  misahana Fileovana 36 eo amin’ny sahan’ny finoana loterana malagasy. Tao anatin’ny roa andro tamin’iny herinandro lasa iny dia nojerena ny pitsopitson’asa rehetra ahafahan’ny katekista miditra ho mpikambana feno ao amin’ny CNaPS. Tao Ranomena renivohitry ny kafe robusta ahitana ny Fileovan’i Befotaka, Midongy Atsimo, Marondonaky ary Ranomena no notanterahina ny fiofanana mikasika ny fiahiana ara-tsosialy. Nampahafantarina ireo katekista ny tombontsoa ho azy rehefa tafiditra mpikambana, anisan’izany  ny fanampiana ny fianakaviana, ny fandraisana an-tanana ny saram-pitsaboana ny aretina sy ny loza ateraky ny asa ary ny fisotroan-dronono ho an’ny zokiolona.

Nandritra ny fiofanana dia noraisina ho mpikambana CNaPS avy hatrany ireo katekista avy amin’ny Fileovana efatra tonga niatrika ny fampianarana ity. Tsy safidy ny fidirana CNaPS fa adidy tsy maintsy hatao amin’ny maha zo fototra  azy ka ny mpiasa dia ho afaka hiaina ny fahafinaretam-piainana eo am-panatanterahana ny asany, hoy ny fanazavana. Nivoitra nandritra ny adihevitra anefa ny loharanom-bola entina handoavana ny latsakemboka satria raha tsy misy latsakemboka dia tsy misy fanampiana ho azo. Nampaherezin’ny mpitantana ny CNaPS ireo katekista mba hanitatra ny loharanom-bolany ankoatra ny karama azo avy amin’ny fiangonana. Nanamafy izany rahateo ny prezidà synodalin’ny faritra Atsinanana ny Pastora Andrianjafy Octave Bénil ka nilaza fa : « tokony hatao mitovy ny tadin-dokanga sy ny hevitra dia tafa ny fiahiana ara-tsosialy. Minoa dia miasà, hoy izy teo am-pamaranana.

 

RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

Hijery ny tohiny
FTT