Actualités

FJKM Hanao fotoam-bavaka lehibe ny 26 janoary izao


  • Zoma 18 Janoary 2013

Taorian’ny herisetra nianjady tamin’ny filohan’ny FJKM, Rasendrahasina Lala Haja, mpitandrina, mianakavy ny talata hifoha alarobia lasa teo dia nisy fotoam-pivavahana nitondrana am-bavaka omaly tetsy amin’ny FJKM Ambatonakanga. Fotoana nankaherezana azy mianakavy.

 Araka ny vaovao dia hanao fotoam-pivavahana lehibe ny FJKM ny 26 janoary ho avy izao. Fotoana hahatsiarovana ihany koa ny “Alatsinainy Mainty”, efa-taona lasa izay, nandrobana sy nandorana an’Antananarivo, nampihorohoroana ny tanàna sy ny mponina ao aminy, fotoana ihany koa nisian’ny fandrobana sy nanaovana herisetra tamin’ireo fananan’ny filoha lefitry ny FJKM. Manoloana ny antsojay atao amin’ny fiangonana FJKM sy ny mpitandrina ao aminy, indrindra moa fa ny filohan’ny FJKM sy ny tsy fandriampahalemana manjaka eto ami’ny firenena dia nisy omaly, taorian’ny fotoam-bavaka tetsy amin’ny Ambatonakanga ny fivorian’ireo pastera rehetra. Nisy ny fehin-kevitra sy fepetra horaisina. Tsy nisy nipika anefa ny resaka tamin’izany fa mbola halefa eo anivon’ny biraon’ny mpiandraikitra Foibe izany ka ato anatin’ny andro vitsy dia hampahafantarina an’ireo mpiray tanindrazana sy kristianina rehetra. 

 
Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT