Tsy tanteraka ilay nifanarahan’ny solontenan’ny mpianatra sy ny prezidansa ny alatsinainy lasa teo hoe hovahana ao anatin’ny 24 ora ny olana eo amin’ny fizarana vatsim-pianarana.
Tsy mbola nisy fizarana vola mantsy omaly teny Ankatso, na dia efa nivoaka aza ny lisitr’ireo mahazo izany. Ho an’ireo mpianatra koa dia tsy mahafa-po ilay vatsim-pianarana iray volana sy vola fampitaovana 60 000 Ariary, fa farafahakeliny dia vatsim-pianarana roa volana no omena hoy izy ireo. Nisy ny sampam-piofanana efa nanomboka ny fianarana telo volana na dimy volana lasa izay, ka noho izany maro koa ny mpianatra lany vola sy nidi-trosa. Misy, araka izany, ireo mpianatra (DEGS) milaza fa tsy handray io vola io fa hanohy ny fitokonana. Raha tsy mbola voavaha tsara ny olan’ny mpianatra dia efa nampiaka-peo koa ireo PAT na mpandraharaha ny oniversite izay tara karama.
Tokony hanomboka ny 22-n’ny volana no mandray karama izy ireo, kanefa hatramin’ny omaly 6 novambra dia tsy mbola nahazo ny valin-kasasarany. Nanambara mazava anefa izy ireo fa tsy afaka ny hiasa sy hizara ny vatsim-pianaran’ny mpianatra raha tsy aony ny anjarany. Mila vahana haingana dia haingana koa ny olan’ireo mpandraharahan’ny oniversite ireto, fa raha tsy izany dia hihitsoka foana ny fizarana ny volan’ny mpianatra. Ny tao amin’ny fiadidiana ny tetezamita moa dia efa nanome toky fa samy tsy maintsy hahitana vahaolana haingana ny olan’ny mpianatra sy ny mpandraharahan’ny oniversite, koa samy miandry izay ho fitrangany indray ny rehetra amin’ity anio ity. Hatreto koa dia tsy misy mangaraharaha mihitsy hoe vola avy aiza marina izany ity omena ny mpianatra ity ? Raha toa ka efa tsy manana intsony ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony, vola avy ao Ambohitsorohitra ve io, sa nalaina tao amin’ny banky foibe sa nalaina tao amin’ny tahirim-bolam-panjakana (Trésor) sa azo avy amin’ny malala-tanana ? Ary raha azo novahana haingana tahaka izao ihany ny olana, nahoana no tsy efa natao dimy volana mialoha fa tsy niandrasana zavatra simba sy olona naratra ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.