Hotanterahina anio ny fizarana ny tambinkaraman’ireo sefom-pokontany any amin’ny faritra Sofia. Telo volana aloha no azo, dia ny volana jona, jolay ary aogositra taona 2017. Kisendrasendra sa nokendrena ao anatin’ny vanim-potoana fanavaozana ny lisi-pifidianana ny fanomezana azy io any Sofia ? Nanomboka ny 1 desambra 2017 no misokatra eny anivon’ny fokontany ny lisi-pifidianana hahafahan’ny olom-pirenena manamarina ny anarany ao anatiny, hanesorana ireo efa nodimandry na nifindra toerana, ary koa hampidirana ireo vaovao feno taona na ireo hadino ny fisiany. Hitohy amin’ny 31 janoary 2018 io asa io. Pi-maso handrisihana ireo filoham-pokontany mba hiasa mafy ny fanomezana io tambinkarama telo volana io. Etsy an-kilan’izay dia manana tanjona ny hampakatra ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana ho 10 tapitrisa rahateo ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na CENI hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.