Actualités

Fizarana mariboninahitra Nisaritaka ny tao Toamasina, ny alahady tolakandro vao natao


  • Talata 29 Jona 2010


Raha efa voaomana ny marainan’ny sabotsy 26 jona tamin’ny valo ora sy sasany ny fanomezana mariboninahitra ireo tokony ho nahazo izany tao Toamasina, dia nilatsaka ny baiko midin’ny ministry ny fambolena Jaonina Mamitiana iraka manokan’ny fitondrana FAT niatrika ny fankalazana ny fetim-pirenena tao Toamasina, ny zoma tamin’ny sivy ora alina fa mihemotra ny fametrahana mariboninahitra ho an’ireo nahazo izany. Ny fandaminana rehetra anefa efa herinandro mialoha ny efa napetraka sy voaomana tamin’ny laoniny.

Ny alahady 27 jona tolakandro teo vao tontosa ny fanolorana ilay mariboninahitra ho azy 257 mianaka nahazo izany. Teo amin’ny araben’ny fahaleovantena ihany no natao ny lanonana, ka nisy ireo 06 mianadahy nahazo ny «Grand Croix» araka ny didim-panjakana 2002/1466 sy ny 2009/981, ka teo Atoa isany Jean II Mora, Be Laurent, Ravelonantenaina Gabriel, Ramorazana Pierre (Tangalamena), Sarave Vincent ary i Gastel Oscarette Ratiana (vadin’i Jean II Mora). Teo koa ireo 12 mianadahy notoloran’ny fanjakana FAT ny «Grand Officier», niisa 23 ireo nomena «Commandeur», 83 ny «Officier de l’ordre national» ary 133 no notolorana «Chevalier de l’ordre national».
 
Rakotomaharo izay lehiben’ny mariboninahi-pirenena ho an’i Toamasina sy mpikambana eo anivon’ny mariboninahi-pirenena eto amintsika, no nitarika ny lanonana izay tafiditra amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena izany. Nandritra ny lahateny no nilazan-dRakotomaharo fa «mila fanajana manokana ireo nahazo ny mariboninahi-pirenena ireo, noho ny asa vitany tamin’ny tanindrazana». Ny tangalamena Ramorazana Pierre nilaza fa «maro ireo zokiolona adino sy tsy misy mpahita noho ny tsy fahalalana sy ny tsy fahafantarana. Tokony hotsinjovina manokana izy ireny mba voahaja ny maha raiamandreny azy ireo».
Ankoatra izay, nandritra ity lanonana teo amin’ny araben’ny fahaleovantena ity no nanararaotra nanolorana ihany koa ny amboara ho an’ireo nahazo ny amboaran’ny 26 jona tamin’ny hetsika ara-panatanjahantena, teo ny taranja tennis, ny badminton, ny haiady samihafa, ary ny hand-ball. Ny baolina kitra kosa dia teny amin’ny kianja monisipaly no nanaovana ny fanolorana ny amboara, izay nandresen’ny Fifafifi tamin’ny isa 1 no 0 ny CAS Douanes.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT