Actualités

FIZAMA sy GETM Tsy afa-po tamin’ny fihaonambem-pirenena


  • Alarobia 22 Septambra 2010

Notaterin’ny FIZAMA na Fikambanana Zanaka Malagasy tarihan-dRakotoarimalala Nirina tamin’ny mpanao gazety teny Ambohimanarina ny hevitr’izy ireo niainga avy amin’ny fanambarana nataon’ny GETM izay iombonan-dry zareo hevitra tanteraka.

Tsy mba anisan’ireo nahazo fanasana hiatrika ny fihaonambem-pirenena farany teo ny GETM na Groupement pour l’édification de la Théocratie à Madagascar na dia nandray anjara feno tamin’ireo dinika hafa teo aloha toy ny Dinika Santatra sns… Toy ny olon-drehetra liam-baovao anefa dia nanaraka akaiky ny fizotran’iny dinika iny koa ry zareo hatramin’ny fivoahan’ny fehin-kevitra tamin’ny sabotsy 19 septambra teny amin’ny CCI Ivato. Tsy ela fa ora vitsy monja taorin’io dia namoaka fanambarana nosoniavin’ny filoha mpanorina azy Atoa Raharimalala Anrdiampenotiana ity GETM ity ka nilaza fa tsy nahafa-po azy ireo ny fanapahan-kevitra nivoaka avy amin’iny fihaonambem-pirenena iny. Mbola ny hevitry ny CNOSC sy ESCOPOL no nivoitra tao, hoy ry zareo dia ny fanemorana ny fifidianana ho amin’ny taona 2011 kanefa efa tsy tantin’ny ankamaroan’ny vahoaka intsony ny fahoriana mianjady aminy ankehitriny.

Tsy hamaha ny krizy izany fa vao mainka manampy trotraka ny fizarazarana efa misy eo amin’ny samy Malagasy ary ahiana hampisy ady an-trano mihitsy aza. Manamafy izy ireo fa Andriamanitra irery ihany no hany hanafaka ny Malagasy amin’izao fahasahiranana lalina izao. Tsy misy afa-tsy ny fitazomana ny datin’ny fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny alahady 10 ôktôbra 2010 izao no vahaolana amin-dry zareo. Dia angatahan-dry zareo marindrano ny hametrahana ny volavolan-dalàmpanorenena teokratika ho lanian’ny mpifidy amin’izany. Ilay volavola efa napetrak’izy ireo tany amin’ny kômity filan-kevitry ny lalàmpanorenena io. Tsy mila fandaniam-bola be ity fitsapan-kevi-bahoaka ity, hoy ny GETM satria tsy mila lisi-pifidianana na kara-pifidianana na trano fisainana (Isoloir) na biletà fa boky iray ihany no fenoina dia vita. Io ilay lazain’ny maro hoe : “bulletin unique”. Toy izao ilay firafitry ny boky Laharana Anarana sy fanampiny Laharan’ny karapanondro Fonenana Eny Tsia Misalasala Sonia Tondro 

E.R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT