Actualités

Fizama Hapetraho eto ny Teokrasia


  • Alatsinainy 16 Janoary 2017

Mitaky amin’ny fitondrana ankehitriny hametraka ny fitantanana Teokrasia eto Madagasikara , amin’izay ny FIZAMA na na FIkambanana ZAnaka Malagasy.

 Tetsy amin’ny Motel de Tanà Anosibe  ny sabotsy 14 janoary teo no nanambaran’ny  filohany, Rakotoarimalala Nirina, izany. Sahy mitaky izany izahay, hoy ity filohan’ny Fizama, ity satria hita ho efa miseho avokoa ankehitriny ireo loza 10 voalazan’ny Baiboly toy ny haintany, ny valala, ny sahoana sns… hatramin’ny horohorontany koa aza farany teo miampy an’ireo ozona samihafa mihatra amin’ity firenena miaina ao anatin’ny demokrasia mifanohitra tanteraka amin’izany Teokrasia izany. Ao ohatra ny ozon’ny tsy fahadriampahalemana, ny ozon’ny fandehanan’ny vehivavy Malagasy mitady vola any ivelany,  ozon’ny fanjakazakan’ny vahiny eto Madagasikara sns… Raha tsiahivina moa ny fotokevitry ny Teokrasia dia mifototra amin’ny fanjakan’Andriamanitra ary  mifanohitra tanteraka amin’ny antsoina hoe Demokrasia izay misy taratry ny devoly kosa ao anatiny, hoy hatrany ny fanazavany. Fotokevitra najoron’Atoa Raharimalala Andriampenotiana filohan’ny GETM na «Groupement pour l’Edification de la Théocratie à Madagascar» tamin’ny taona 2010 ity Teokrasia ity ary efa nandrafetena lalàm-panorenana vaovao izay efa nateriny tany amin’ny HCC tamin’ny taona 2014. Raha tanteraka eto amintsika ny fametrahana an’io fanjakana teokrasia io dia ho lasa firenena matanjaka voalohany indrindra manerantany i Madagasikara ary eo amin’ny lafiny rehetra hoy ny FIZAMA.

Ntsoavina Evariste


  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT