Actualités

Fizahantany Tsy ampy fahaizamanao ny mpiasa


  • Zoma 05 Oktobra 2012

Manana ny torapasika sy ny zavaboary tsy manam-paharoa mahasarika ny vahiny i Madagasikara nefa vitsy dia vitsy ny mpizahatany tonga aty raha oharina amin’ireo otrikarena ireo.

 Vinaina ho 250.000 eo ny isan’ny mpizahatany hanao fitsidihana sy fialantsasatra eto amintsika amin’ity taona ity raha efa mahatratra iray tapitrisa ny mpizahatany makao Maorisy izay nosy kely tsy manana afa-tsy torapasika. Sakana ny hakelin’ny tetibola entina mampahafantatra an’i Madagasikara any ivelany raha efa manomboka mivaha kosa ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa satria maro ny hotely vao mitsangana toy ny ao Tolagnaro na an-dalam-panorenana ao Toamasina. Na izany aza dia ny mpandraharaha sy ny mpiasa mihitsy koa no tsy ampy fahaizamanao na “professionalisme” araka izay novakiana bantsilana nandritra ny fanokafana ny “Salon des métiers du tourisme” etsy amin’ny Gara Soarano.

Saika ahitana izay tsy fahamatorana izay avokoa ireo karazana asa misy ifandraisany amin’ny fizahantany toy ny mpitatitra ana habakabaka sy an-tanety, ny mpitarika mpizahatany, ny mpandray vahiny… Nilaza ny minisitry ny fizahantany Rakotomamonjy Jean Max fa tokony hasiana lalampiofanana “fizahantany” eny anivon’ny lisea teknika hanomana ny ankizy amin’io asa io satria efa manomboka liana amin’i Madagasikara ny vahiny izao. “Horesahana izany ny tomponandraikitry ny fampianarana teknika ary ezahana ny hamoaka ireo torolalana sy paikady rehetra ao anatin’ny drafitrasa nasionaly”, araka ny fanazavany hatrany. Misy 28 moa ireo ivontoeram-panofanana momba ny asan’ny fandraisam-bahiny, ny lakozia ary ny fizahantany mandray anjara amin’ny hetsika mandritra ny hateloana. Ny ORTANA no mpikarakara azy izay manana tanjona hisarika ny tanora hiasa amin’ity sehatra ity.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT