Actualités

FIZAHANTANY Hiara-kiasa akaiky ny ORTANA sy ny FORHM


  • Alakamisy 17 Septambra 2015

Hiara-kiasa akaiky manomboka izao ny ORTANA sy ny FORHM ( Federasion des hoteliers et restaurateurs de Madagascar) hahafahana mampiroborobo ny sehatry ny fizahantany eto amin’ny Faritra Analamanga. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana fiofanana ireo olona ao anatin’ny

 

FORHM toy ny serveur, ny mpamily fiarakodia, ny mpitondra mpizahatany, ny maitre d’hotel...hahafahan’ireto farany mampahafantatra ireo mpizahatany vahiny ny zava-misy eto an-drenivohitra mba hitazonana azy ireto eto. Tafiditra ao anatin’izany ny vakoka mampiavaka antsika toy ny rovan’i Manjakamiadana, raha tsy latsa-danja amin’ireo ny fampahafantarana azy ireo ireo karazana hetsika maro samihafa toy ny fitsangantsanganana dia an-tongotra lavitr’ezaka, ny hiragasy makotroka, ny madajazzcar ... Tontosa omaly tetsy amin’ny hotel Colbert Antaninarenina ny fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta. Marihina moa fa nihena 20 % ireo mpizahatany vahiny tonga nitsidika ny Faritra Analamanga raha araka ny fantatra.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT