Actualités

Fizahantany eto Madagasikara Ratsy endrika noho ny harom-paosy


  • Alatsinainy 23 Janoary 2017

Nampiditra vola vahiny 702 tapitrisa dolara na 2.246 miliara ariary ny fitombon’ny isan’ireo mpizahatany 20% tonga teto Madagasikara ny taona 2016 mihoatra ny taona 2015, hoy ny minisiteran’ny Fizahantany ny faran’ny herinandro teo.

Nampiditra vola vahiny 702 tapitrisa dolara na 2.246 miliara ariary ny fitombon’ny isan’ireo mpizahatany 20% tonga teto Madagasikara ny taona 2016 mihoatra ny taona 2015, hoy ny minisiteran’ny Fizahantany ny faran’ny herinandro teo. Nahatratra 293.185 ireo vahiny tonga nitsidika ny firenena Malagasy nandritra ny taona 2016 saingy tsy mbola nihoatra ny tarehimarika 375.010 tamin’ny taona 2008 nisian’ny fikotrehana fanonganam-panjakana niafara tamin’ny krizy lavareny. Nampiakatra ny fiavian’ireo vahiny teto amintsika ny fampiantranoana ireo fivoriana iraisampirenena samihafa toy ny fikaonandohan’ireo parlemantera frankofonina, ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia na koa ny fivorian’ireo firenena mpikambana ao amin’ny Comesa izay nanodidina ny 10. 000. Antony iray hafa ny fiantsonan’ireo sambo be manokana niisa 40 nitondra mpizahatany 40.000 tamin’ireo morontsiraka. Tanjon’ny minisiteran’ny Fizahantany amin’ity taona 2017 ity ny hampiabo ho 25% ny tahan’ireo mpizahatany eto Madagasikara. Lesoka goavana anefa hatreto ny tsy fahampian’ireo fotodrafitrasa toy ny seranan-tsambo sy seranam-piaramanidina. Eo ihany koa ny firongatry ny harom-paosy izay manaratsy endrika ny fizahantany Malagasy. 

Nangonin-dRamano F.  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT