Actualités

Fizahantany ao Tolagnaro Mila fanampiana ireo mpandraharaha


  • Sabotsy 29 Aogositra 2015

Velon'ahiahy amin'ny hoavin'ny fizahantany ireo mpandraharaha ara-toekarena mitrandraka ity sehatra iray ity ao Tolagnaro. Teo aloha, nanana ny maha izy azy ny fizahantany. Manaporofo izany ny hamaroan'ireo trano fandraisam-bahiny.

Misy azo isafidianana na amoron-dranomasina io na amorom-parihy na anaty ala na ao afovoan-tanàna. Manginy fotsiny ireo toeram-pitsangantsanganana toa an'i Libanona, Sainte Luce, Berenty, Andohahela ary ao amin'ny Pic Saint Louis. Ireo asa tanana vita malagasy mampiavaka ny faritra simba ho azy tsy misy mpandray.  Hatreto, tsy andrenesam-peo ry zareo ao amin'ny Office du tourisme any an-toerana sy ny sampandraharaham-paritra misahana ny fizahantany... Ity farany, voalaza fa tsy mbola eo am-pelatanana ireo fitaovana tokony hanodinana ny asa. Tsikaritra fa tsy marisika hitondra ny anjara birikiny ireo tompon'ny trano fandraisam-bahiny any an-toerana. Ny firaisankinan'ny samy mpandraharaha marisarisa ihany efa ho an-taonany maro. Ireo sambo lehibe mpitondra mpizahatany vahiny mba andrandraina tsy misy. Ireo mpizahatany vahiny mahazatra, tsy marisika noho ny sidina tsy mandeha amin'ny laoniny. Tamin'ny fanadihadiana natao, tsy ahitana mpizahatany vahiny amin'ireo trano fandraisam-bahiny. Teratany malagasy mamita iraka ihany indraindray no tazana. Hatreto, maro amin'ireo trano fandraisam-bahiny any an-toerana no mampihena ny mpiasa ao aminy. Misy mihitsy aza ny mandroaka mpiasa hialana amin'ny fatiantoka.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT