“Tsara ny taom-pizahantany lasa iny raha jerena amin’ny ankapobeny. Nanomboka ny taona 2012 iny mantsy no niverina tahaka ny taona 2008 ny fahatongavan’ireo mpizahatany mpisafidy an’i Madagasikara”.
Izay no nambaran-dRtoa Eliane Andrianjatovo misahana ny “Arian Tour” sy ny sekoly tsy miankina hany tokana mpanofana amin’ny resaka fizahantany “Arian Institute”.
Ny taona lasa 2012, dia ny lakandranonin’i Pangalanes no tena nahasarika ireo vahiny raha ho an’i Toamasina. Efa betsaka rahateo ny fanovana fomba fiasa ary maro ny tolotra omena ireo mpizahatany misafidy izany, toy ny lakana motera mpitondra ireo mpizahatany sy ny hetsika fandraisana manokana nanentanana ireo mponina isaky ny tanàna ary ny fanatsarana ny tanàna hahasarika ireo mpitsidika. Manaraka azy ny nosy Sainte Marie, indrindra amin’ny fotoan’ny “Zanaharibe” na fahatongavan’ny “baleines”; manaraka azy i Mahavelona Foulpointe sy Mahambo ary ny “Parc Ivoloina”.
Nanamarika ny taona 2012 koa anefa ny nanafoanan’ny vondrona “Costa” ny dia fanaony aty amin’ny ranomasimbe Indiana, indrindra fa ny mitety ireo toerana malaza manodidina an’i Madagasikara. Ity sambo be “Costa” ity anefa no mba rivotra namelona ireo mpiasa tamin’ny fizahantany noho ny fandalovany isaky ny 15 andro ary nanao fiantsonana 10 na 12 raha ho an’i Toamasina.
Ankilan’izay, olana sedrain’ireo mpandraharaha ara-pizahantany koa ny zava-misy eo anivon’ny kaompania Air Madagascar, izay tsy vitany tara fiaingana lava, fa mbola manafoana zotra matetika ihany koa, ary ny fanemoram-piaingana saika efa isan’andro. Manginy fotsiny moa ireo zotra ivelan’ny nosy maty an-tanin’olona sy simba lava any an-tany lavitra. Ankoatra ireo dia ny olana ara-politika mety hosedrain’ny firenena amin’ity taona ity noho ireo fifidianana hitranga sy ny fangotrahan’ny resaka politika ihany koa ao anatin’izany. Mbola ny Frantsay anefa no mpizahatany maro misafidy an’i Madagasikara, nefa izy ireo indrindra no tena manaraka akaiky ny resaka politika eto amintsika.
Rakoutou
Sary : Mahaliana ny mpizahatany vahiny ny Canal des Pangalanes
ENCADRE
Ny 01 febroary izao dia hisy sambo mpitondra mpizahatany an-jatony teratany Alemana, “Phoenix Albatros” hiantsona ao Toamasina. Efa nanao toy izao ity sambo ity ny taona 2009 nefa voatery nanova ny diany vokatry ny sakoroka niteraka krizy politika nitranga tamin’izay fotoana izay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.