Mitohy hatrany ny fifampiresahana eo anivon’ireo mpitatitra sy ny kaominina Antananarivo (CUA) ary ny Omavet mba hanatsarana ny tontolon’ny fitaterana eto Antananarivo Renivohitra.
Ny sabotsy teo dia naseho an-tsary tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely ny ampahany amin’ireo zava-misy eo amin’ny tontolon’ny fitaterana eto an-drenivohitra tao anatin’ny taona nifanesy mandrak’ankehitriny. Nampidirana tao anaty fandaharam-potoana ihany koa ny fandaniana ny bokin’andraikitra hifampifehezan’ny 3 tonta ary mbola nezahan’ny rehetra niadian-kevitra raha sanatria mbola misy tsy fahatomombanana tao anatiny tao nialoha ny fandaniana. Nasongadina ny vokatry ny fitsirihana ireo taksi tsy manara-dalàna niarahan’ny CUA sy ny fikambanan’ny taxi FTAR tetsy Ankadivato tamin’ny 2 volana lasa izay nahitana fiara miloko bezy, saingy sady tsy misy soratra no tsy misy lanterina. Ny sasany miantsona amin’ny tsy tokony hiantsonana nefa tsy manana taratasy sy fanamarinan-ketra. Izany rehetra izany, hoy ny tale misahana ny fitaterana eo anivon’ny CUA, Landy Raveloson, no hezahana hofoanana tsikelikely manomboka izao. Nanamafy ny tale jeneralin’ny Omavet, Hanta Narisoa Rabezandry, fa mitohy ny fizahana maimaimpoana eny Ampasampito ireo fiara taksi mba hizarana ireo fitaovana no hampahafantarana bebe kokoa ihany koa ireo fanatsarana tokony hatao. Mety hiitatra amin’ny volana janoary izany, hoy izy, raha toa ka tsy mahafa-po hatramin’io volana desambra io.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.