Actualités

FIZAFATO Mitaky olona vonona hampandroso an’i Toliara


  • Sabotsy 15 Jolay 2017

Mitaky olona vonona hampandroso an’i Toliara eo amin’ny lafiny ara-toekarena sy ara-tsosialy ny FIkambanan’ny ZAnaky ny FAritany TOliara ( FIZAFATO).

Manana ny tanjany manokana amin’ireo sehatra ireo izay azo trandrahina tsara tokoa mantsy  ity faritany iray ity raha araka ny fanazavan’ireo mpikambana ao anatin’ny komity mikarakara ny fifidianana omaly. Tsy ireo mponina any an-toerana irery anefa no miandraikitra izany fa ireo mila ravinahitra any amin’ ny faritra hafa ihany koa. Mba hahafahana manatanteraka ny asa dia hotontosaina ny 6 aogositra ho avy izao eto Antananarivo ny fifidianana izay ho filoha vaovao hitantana ny FIZAFATO. Efa misy ny komity manokana hisahana izany, fanapahan-kevitra tapaka nandritra ny fivoriana farany notontosain’izy ireo ny  volana mey lasa  teo. Miisa 30 ireo mpikambana ao. Omaly izy ireo  dia  nanao fanambarana ny amin’ny fepetra takina ho an’ireo kandidà vonona ny hilatsaka hofidiana ho filohan’ny fikambanana. Arahina taratasy misy ny vina fampandrosoana an’i Toliara sy ny mponina ao aminy ny taratasy fangatahana filatsahan-kofidiana. Amin’ny 29 jolay ho avy izao kosa no havoakan’izy ireo ny lisitra ofisialin’ireo kandidà hofidina. Ezahina hatao ao anatin’ny mangarahara tanteraka ny fifidianana, hoy hatrany izy ireo.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT