Actualités

Fivoriana teny Ivato Misy resaka famatsiana fitaovam-piadiana ?


  • Alakamisy 04 Novambra 2010


Araka ny loharanom-baovao dia misy resaka famatsiana fitaovam-piadiana avy amin'ireo mpandraharaha vahiny sasany nivory teny Ivato izay nifarana omaly. Basy sy baomba isan-karazany no azo varotana amin’izany. Tsy dia sahy loatra miresaka izany anefa ny mpandraharaha Malagasy, indrindra ireo tsy manana firehana politika loatra. Na izany aza, misy amin'ireo mpandraharaha hafa no manahy mafy amin'izao toe-javatra izao. Sao mantsy ka atao tahaka ny any afrika ity firenena ity ka ny vahiny no hamatsy fitaovam-piadiana ary ny samy malagasy kosa no hifamono. Tokony hisy ny  fanaraha-maso akaiky ny zavatra mety hitranga atsy ho atsy satria efa malaza amin’ny fanapariahana fitaovam-piadiana ny aty Afrika. Hatramin’izay dia tsy tafiditra tamin’io resaka io mihitsy i Madagasikara, saingy taorian’ny zava-nitranga tamin’ny 2009 dia manomboka manintona ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny fitaovam-piadiana isika.

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT