Raha minisitra 8 tany am-piandohana no saika hanara-dia ny filoham-pirenena hiatrika ny fivoriana momba ny fiovaon’ny toetr’andro COP 21 any Paris-Frantsa dia nihena ho 3 izany ankehitriny,
dia ny minisitry ny raharaham-bahiny, ny minisitry ny vola ary ny minisitry ny tontolo iainana. Tsy 107 intsony ihany koa fa lasa 40 ireo olona mandrafitra ny delegasionina Malagasy hanatrika ity fivoriana any Le Bourget-Paris hanomboka ny alatsinainy izao ity, satria nangataka ny hampihenana araka izay azo atao ny olona mandrafitra ny delegasionina isaky ny firenena ny fanjakana Frantsay mba hahamora kokoa ny fitandroana ny filaminana taorian’ny asa fampihorohoroana nitranga tany an-toerana. Teknisianina avo lenta avy amin’ny fikambanana sy miankina amin’ny fanjakana sy ireo fikambanana iraisam-pirenena eto amintsika no hanampy ireo manampahefana ireo, ary araka ny fanampim-panazavana voaray dia hianto-tena izy ireo.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.