Mandray anjara hatrany amin’ny fiarovana ny tontolo Iainana ny FIOVA na ny « Fivondronan’ny Orinasan’i Vakinankaratra ». Manatanteraka fambolen-kazo hatrany ity fikambanana ity isan-taona izay efa fandaharam-potoanan’ny fikambanana izany hatramin’izay nijoroany
. Tato anatin’ny 4 taona izay dia ny fokontany Ambatolahy, Kaominina Vinaninkarena, Distrikan’Antsirabe faharoa no hanaovan’izy ireo izany taorian’ny nialana teny Ivohitra ka zanakazo kininina niisa 700 fototra teo ho eo no novolena tamin’ity taona ity. Ankoatra izany dia eo koa ny fikarakarana ireo « Accacia » efa nambolen’izy ireo teo aloha, izay mampiavaka ity fikambanana ity ny fanohizana ny fikarakarana ireo hazo voavoly. Fa tamin’ity taona ity dia nisy ihany koa ny famafazana itony hazo fanao sisim-boly itony ka nofafazana voana « Tephrosia » ny manodidina ny faritra efa novolen’ny fikambanana hazo. Nambaran’ny filohan’ny Fiova, Atoa Ramarojaona Andrianjafy moa fa ho famaritana ireo tany voavolin’izy ireo hazo sy fiarovana amin’ny doro tanety no nambolena ireo Tephrosia ireo. Niara-niasa tamin’ny Fiova tamin’izao fambolen-kazo izao moa ny Kaominina sy ny fokontany, izay anisan’ny mahazo tombontsoa amin’ireo hazo ireo.
Caius Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.