Actualités

FIVONDRONAN’NY MPITATITRA ETO AN-DRENIVOHITRA Vonona ny hiara-hiasa akaiky amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra


  • Zoma 13 Janoary 2017

Niarahaba ny Ben’ny Tananan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana nahatratra ny taona vaovao 2017 omaly ny Fivondronamben’ny mpitatitra eto an-drenivohitra na ny UCTU.

Nivoitra nandritra ny fihaonana fa ilaina ny fifanantonana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta hampandrosoana ny fitaterana eto an-drenivohitra.  Araka ny lalàna rahateo dia ny kaominina no anisan’ny rafitra mpiara-miasa lehibe amin’ny mpitatitra. Fantatra fa hanatsara ny kalitaon’ny asany izy ireo.Koperativa mpitatitra sady hikajy ny tontolo iainana.Momba ny fitohanan’ny fifamoivoizana dia raharahan’ny rehetra ny famahana io olana io hoy ny mpitatitra .3. 500  isa ny taxibe eto  an-drenivohitra araka ny nambaran’ny Filohan’ny UCTU Bernardin Andriambinitsolomora kanefa ny fiara madinika mahatratra 5 hetsy.  Raha ny saran-dalana indray dia tsy mbola hampiakatra aloha izy ireo ato ho ato fa mbola miandry ny fampanantenana nataon’ny Fanjakana ny amin’ny hanomezana ilay  fanampiana 12 Miliara Ariary ho azy  ireo eo anelanelan’ny volana Novambra 2016 sy ny Avrily 2017. Tsy mbola voaray izany vola izany hatramin’izao, raha araka ny fantatra.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT