Actualités

Fivondronan’ny mpandraharaha mpanafatra entana ao Toamasina Nitsangana tamim-pomba ofisialy


  • Talata 05 Mey 2015

Napetraka ary natolotra tamim-pomba ofisialy ho fantatry ny mponina tao an-tampon-tanŕnan' i Toamasina ny faran’ny herinandro teo ny GIPT na ny « Groupement des importateurs Professionnels de Toamasina » ho fanatanterahana ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina izay voafaritra ao anatin’ny 3P.

 

 Antony dia hafarana avy any ivelany avokoa ny 75%-n’ny entana hampiasain’izy ireo ka ireo karazana kojakoja fampiasa amin’ny fiainana andavanandro  no maro an’isa indrindra amin’izany. Tanjon’ny fikambanana ny hiaro ny tombontsoan’ny  mpikambanana toy ny fanampiana azy eo amin'ny fifandraisana amin'ny fanjakana sy  ny  fikarakarana ny antontan-taratasy entina mampandroso ny asa... Na izany aza anefa dia misedra olana ny fikambanana noho ny hamaroan’ny haba loatra alain’ny orinasa MICTESEL amin’ireo entana tonga ka mahatonga ny vidin’entana hisy fiantraikany amin’ny mpanjifa. Eo am-pandinihina ny hanitarana ny  fikambanana hanerana ny Nosy ny filohany ankehitriny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT