Actualités

Fivondronamben’ny Ampanjaka sy Andriana Hampihavana ny Malagasy


  • Talata 19 Oktobra 2010

Ampy izay ny disadisa sy ny fisaraham-bazan’ny samy Malagasy fa fotoanan’ny fihavanana izao. Omeo toerana ny fifandeferana sy ny fifankatiavana. Izany no hafatra voarain’ireo Tangalamena avy amin’ireo razambe araka ny fanazavan-dRamandimbison, filoha lefitry ny fivondronamben’ireo Tangalamena sy Ampanjaka.

Araka izany dia mikasa hanatanteraka izay fampihavanana izay ireto raiamandreny eny anivon’ny fiarahamonina ireto amin’ny alalan’ny joro sy sorona. «Tsy maintsy fafana avokoa ireo ra latsaka rehetra teto amin’ny firenena ka hatomboka eny amin’ny rovan’Ambohidratrimo ny joro izay hamonoana gisa 7 araka ny hafatr’ireo razambe ihany ny 22 oktobra. Hotohizana eny amin’ny rovan’i Manjakamiadana ny 29 ka hatramin’ny 31 oktobra amin’ny alalan’ny famonoana omby mazavaloha miisa 7. Mariky ny faritany 6 ny omby 6 raha ny fampiraisana azy ireo kosa ilay faha-7 farany», hoy kosa Raveloson Georges, filohan’ny Fivondronamben’ny Ampanjaka sy Andriana. Nahazo ny fankatoavana no sady iaraha-manatanteraka amin’ireo taranaka mpanjaka sy ny andriana eto Analamanga ny hetsika. Rehefa vita ny eto an-drenivohitra dia tohizana any amin’ny faritra izao fampihavanana izao. Asaina hanatrika ny fotoana avokoa ny Malagasy tsy ankanavaka, indrindra fa ny mpitondra sy ny mpanohitra. “Ampihavanina aloha ny razana fa rehefa madio ny fifandraisan’izy ireo dia mihavana isika rehefa avy eo, araka ny hafatra nampitondrain’izy ireo anay hatrany”, hoy ny filohan’ny Fivondronamben’ny Ampanjaka sy Andriana nanazava. Nambarany koa fa tany Repoblikana i Madagasikara ka tsy maintsy amin’ny alalan’ny fifidianana ihany no hidirana amin’ny Repoblika faha-4. 

Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT