Loharanom-baovao iray no nahenoana fa lasa an-tsokosoko any Paris renivohitr’i Frantsa ny faran’ny herinandro teo ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Tsy nisy fampitam-baovao ofisialy avy amin’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika fa karazan’ny nafinafenina. Inona no anton-diany ? Misy ifandraisany amin’ny raharaha politika eto ve ?
Narary tampoka ve ny filoha sa misy anton-javatra manokana tsy azo ampitaina momba ity fivoahany any ivelany ity tsy misy filazana ity ? Raha sanatria misy ny loza miseho tampoka dia ahoana ? Manjavozavo tanteraka ny zava-misy. Niniana tsy nampahafantarina sa ny sampana seraseran’ny fiadidian’ny Repoblika no tsy mahavita ny asany ? Ao anatin’ny fenitra ny fampitam-baovao momba ny fivoahan’ny filoha any ivelany tahaka izao. Azo adika avy hatrany fa misy fomba fiasa tsy mandeha amin’ny laoniny. Tsy vao izao no nisian’ny dia an-tsokosoko tsy fanta-pototra tahaka izao. Tamin’ny 1 novambra 2017, dia efa nisy ny fihaonan’ny filoha Malagasy tamin’ny filoha Afrikanina Tatsimo teo aloha Jakob Zuma, saingy tsy nampahafantarina. Tany amin’ny seraseran’ny fiadidian’ny Repoblika Afrikanina Tatsimo no nahalalana fa any an-toerana ny niloha Malagasy. Any amin’ny firenen-kafa amin’ny ankapobeny, dia efa fantatra ny programan’ny filoha sy ny fivoahany ny firenena mandritra ny taona, ankoatra ireo tampoka sy tsy ampoizina. Ny aty amintsika kosa toa tsy misy fandaminana sy lamin’asa fa mandeha ho azy tahaka ny fomba fitondrana firenena izay tsy misy sori-dalana mazava. Raha ny fikaroham-baovao hatrany, dia ny taona 2014 no nisy fandraketana farany ny resaka fivoahan’ny filoha teo anivon’ny polisy misahana ny sisin-tany na ny PAF. Hita taratra hatrany amin’ny fomba fiasa sy ny fitantanana ny zavatra gaboraraka sy tsy mangarahara ary tsy misy fahamatorana. Re fa anio talata alina no ho tonga ny tenany, ka tsy hay na hilaza zavatra eny am-pahatongavana na hody an-tsokosoko sy tsy an-kiteniteny toy ny nandroso.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.