Actualités

Fividianana tany azo aloa tsikelikely Teraka ny tetikasa “tany ho anao”


  • Alakamisy 05 Novambra 2015

Saika mbola manofa trano avokoa ny ankamaroan’ny mponina eto an-drenivohitra. 50.000 Ar isam-bolana raha kely no tsy maintsy miala amin’ny vatan-karama ankoatra ny jiro sy ny rano.

 

 Mba hahafahana manampy azy ireny sy hialana amin’ny fivangongoana eto an-drenivohitra dia nampahafantarina omaly tetsy Tsiadana ny fisian’ny tetikasa “ tany ho anao ”, iarahana amin’ny “Master Immoblier Service”, tantanin-dRajaonarisoa Toky Raphael tanora vao herotrerony tokoa. Azo aloa tsikelikely ny vidin’ny tany amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny banky ka afaka manao izany avokoa na mpiasam-panjakana na mpiasa tsotra. Tany maro eto Antananarivo no atolotra ho an’ny mpanjifa, toy ny eny amin’ny Fonenana Imerintsiatosika izay hamidy 3000 Ar/ m2, eny amin’ny By-pass, Vontovorona, Ambatomirahavavy. Afaka mangataka tany amin’ny toerana mety ho azy ihany koa ny mpanjifa. Manampy amin’ny fikarakarana ny taratasy ny orinasa izay nomarihiny manokana fa  efa vita titra sy baorina amin’ny fanjakana. Tanjon’izy ireo moa ny mba hananan’ny isan-tokantrano tany hiafaran’ny taranany, sady hanehoan’izy ireo ny fahaiza-manaony ihany koa amin’ny fanadiovana ny tontolon’ny fivarotana tany eto amintsika.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT