Actualités

Fivarotana vary Nampifandramatra depiote sy Ben’ny tanŕna


  • Alarobia 01 Febroary 2017

Niravona ny disadisa teo amin’ny Ben’ny tanŕnan’i Bemanonga, Distrika Morondava Miadamanana Roberto sy ny solombavambahoaka voafidy tao Mahabo faritra Menabe Raveloson Ludovic vokatry ny fivarotana vary

 

. Nisy ny raharaham-pihavanana nandaminana ny roa tonta, ka nandray an-tanana ny raharaha ny tompon’andraikitry ny filaminana (OMC) sy ny Fikambanan’ny Zanak’Atsimo Atsinanana ao Menabe, notarihin’i Thèmistocle, filoham-boninahitry ny fikambanana. Tonga tao Bemanonga ny OMC ny alatsinainy 30 janoary, avy eo nisy ny fifampihainoana ny roa tonta tao amin’ny biraon’ny prefektiora Morondava, teo anatrehan’ny lehiben’ny faritra Menabe Gilbert Romain sy ny Sekretera  jeneralin’ny Prefektiora ary ireo mpitandro ny filaminana. Nandray fitenenana ny Raiamandreny avy amin’ny an-daniny sy ny an-kilany izay samy niara-niaiky fa samy tompon’andraikitra ny Ben’ny tanàna sy ny Depiote ka tsy tokony hanao zavatra hanalabaraka ny fahefana izay tantanan’ny tsirairay, indrindra fa ny Razana izay nipoirana satria samy zanak’Atsimo Atsinanana » avokoa izy roalahy ireo. Nandritra ny fifampihaonana ihany koa no nametrahan’ny raiamandreny Sakalava hafatra fa ny faritra Menabe no tena afa-baraka rehefa misy ny zavatra toy izao koa « manafatra amin’ireo rehetra mpitady ravinahitra aty Menabe izahay Sakalava mba tsy hamerina ny fanalam-baraka ny Faritra toy izao ». Resaka tamberimbidy notakian’ny kaominina Bemanonga amin’ny fitarotana vary notaterin’ny kamiaon’ny depioten’i Mahabo ny zoma 27 janoary teo no niteraka disadisa teo amin’ny Ben’ny tanànan’i Bemanonga sy ingahy solombavambahoaka. Niditra an-tsehatra ny kalôny avy ao Mahabo nombam-pitaovam-piadiana ka voatafika ny trano fonenan’ny Ben’ny tanàna. Tafatsoaka ity farany raha tsy izany mety ho ra nandriaka tao Bemanonga. Nifampitadiavana i Miadamanana Roberto taorian’io. Azo nampifanatonina nalamina ihany ny roa tonta ary nifandray tanana taorian’ny fampihaonana azy ireo.

Nangonin’i Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT