Actualités

Fivarotana sakafo lany daty Afaka avokoa ireo Karŕna nosamborina


  • Zoma 09 Jolay 2010


Talanjona hatramin'ny zandary izay nanao ny ainy tsy ho zavatra tamin'ny fanadihadiana izay nitarika ny fisamborana ireo Karàna mpivarotra sakafo lany andro rehefa nivoaka ny fanapahan-kevitry ny Fampanoavana izay nanafaka vonjimaika ireo olona izay voarohirohy tamin'ity raharaha ity. Karàna efatra sy Malagasy miisa sivy izay mpiasan'iretsy voalohany no nahazo fahafahana vonjimaika rehefa voarohirohy ho nivarotra sakafo lany andro teto an-drenivohitra. Efa nodorana ireo sakafo izay an-taonina maro. Ny fahatratrarana ireo entana ireo ihany dia efa porofo mivaingana azo nitazonana azy ireo amin'ny lalàna manan-kery kanefa dia afa-maina ireo tompon'andraikitra. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe aiza ho aiza ny fandraisana andraikitry ny minisitera (ministeran'ny fahasalamana sy ny ministeran'ny varotra) izay manana sampana miandraikitra ny fanaraha-maso ny sakafo manara-penitra na tsia, lany daty na tsia? Ny tsikaritra mantsy dia maro loatra ireo karazan-tsakafo tsy fanta-piaviana mitobaka eran'ny tsena sy ny sisin-dalana eto an-drenivohitra. Dia hamosaviana ve ny mpanjifa, ? 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT