Actualités

Fivarotana ny Villa Elisabeth Nodiovin’i Serge Zafimahova ny tetezamita


  • Zoma 10 Novambra 2017

Tsy misy hidiran’ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina ny resaka Villa Elisabeth.

 Tsy misy hidiran’ny praiminisitra lefitra Reboza Julien, izay voatery niala. Aza hadinoina fa ny fifidianana filoham-pirenena dia taty amin’ny volana septambra dia efa niala avokoa izay olona nieritreritra ho kandida, hoy i Serge Zafimahova. Tao anatin’izany ny filoham-pirenena ankehitriny, ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny praiminisitra lefitra avy amin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany. Tsy misy hidiran’ireo mihitsy izany raha ny tantaran’ny Villa Elisabeth, hoy hoy hatrany izy.  Tamin’ny 15 novambra 2016 dia teo no lasa 72803A tamin’ny alalan’ny orinasa Primo Immobiler izy io raha 16684A ny titra teo aloha. Rehefa jerena ny resaka 24 janoary 2014 dia mazava ho azy ny fisian’ny elanelana eo amin’ireo daty roa ireo izay nipoiran’ny afera. Ny tale jeneralin’ny fananan-tany tamin’izany ary naverina ankehitriny no nikarakara ny taratasy tamin’io 15 novambra 2016 io. Raha ny resaka Mada Terrain sy ny Primo immobilier indray dia ny 30 novambra 2016 teo anoloan’ny “notaire” ny fifanarahany. Ny 23 septambra 2016, nangataka ny Primo Immobilier, ary mbola nisoratra mazava tsara fa an’ny fanjakana Malagasy ny Villa Elisabeth. Nisy kosa ny antontan-taratasy azon’ny fianakaviana, ny jolay 2017 izay tsy nohazavaina ny fomba nahazoana azy, ka nisy ny taratasy MT/GR/2017 ny 12 jolay 2017, izay nahasahiana nanambara fa an’ny Mada Terrain ny tany. Nisy indray ny taratasin’ny fanajariana ny tany Laharana 191-17/M2PATE/K, izany hoe rehefa ohatr’izay ny fipetrany dia sonian’ny minisitra izany no mandehandeha amin’io raha ny fahafantarako azy, hoy i Serge Zafimahova. Ny minisitra Narson Rafidimanana no nitantana tamin’izany. Vao tonga kelikely ny minisitry ny vola ankehitriny Andriambololona Vonintsalama Sehenosoa dia nanome “Procuration” ny 7 septambra 2017 an’ny lehiben’ny Fitantanana ny trano sy tranom-panjakana  laharana 336-2017-MFB/SG/DGB/DPE/SSLDA tamin’ny anaran’ny minisitra ary nanome alalana ramatoa tompon’andraikitra iray, ka nanome 700m2 ho an’ny minisiteran’ny vola hanamboarana trano vaovao ho an’ny filoha teo aloha ¨Pr Zafy Albert. Ny 21 septambra tamin’ny 11 ora vao nahafatantra izany ny Pr Zafy Albert. Nisy minisitra roa niteny tany amin’ny haino aman-jery taty aoriana dia ny minisitry ny fanajariana ny tany Benjamina Ramanantsoa sy ny minisitry ny vola Andriambololona Vonintsalama Sehonosoa, fa nofoanana ny didy fifampivarotana, saingy tsy mitombina izany satria efa misy titra navoaka tany aloha tany io, ary nisy ihany koa taty aoriana. Toa sinema fotsiny izany no natao satria dia olona tao anatin’ny fanjakana HVM sy mbola ao no tao ambadika raha dinihina amin’ny fanazavan’i Serge Zafimahova.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT