Ao amin’ny sokajy faharoa ny firenena malagasy ankehitriny raha tao anatin’ny sokajy mila naraha-maso tamin’ny taona 2014, hoy ny
«Trafficking in Persons Report» taona 2015. Miresaka ireo ezaka fiadiana amin’ny fanandevozana moderna izay milazalaza ny zava-misy ao anatin’ireo firenena sy faritra miisa 188 izy io, araka ny tatitry ny departemantam-panjakan’i Etazonia andiany faha-15. Mahazo vahana ary mbola mitoetra ity sehatra fivarotana olona an-tsokosoko mifototra betsaka amin’ny asa mamoafady ity eto Madagasikara na dia eo aza ny dingana kely fivoarana hita tamin’ny fanamarihana avy amin’ny governemanta Amerikanina. Mandrisika ny fifanomezan-tanana eo amin’ireo mpisehatra nasionaly hanamafy ny fanadihadiana sy hanenjika ireo mpanao trafika voasoritry ny lalàna vaovao manohitra ity karazana fanosihosena ny zon’olombelona nankatoavina teny amin’ny Antenimieram-pirenena ny volana desambra 2014 ity rahateo ny sekreteram-panjakana John Kerry. Nankasitrahany manokana moa ny asa goavana notanterahan’ny fiarahamoni-pirenena Malagasy nitarika tamin’ny fankatoavana ilay drafi-pirenena fanafoanana ny fanandevozana amin’ny endrika vaovao taona 2015-2019.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.