Actualités

Fitsirihana solitany 1.000 dolara isan’andro ny karaman’ireo injeniera vahiny


  • Alakamisy 06 Mey 2010


Mahabe fanantenana ny tontolon’ny solitany eto Madagasikara. Miditra amin’ny dingana faharoa ankehitriny ny fitsirihana sy ny fikarohana solitany eto amintsika. Ahitana solitany avokoa ny ilany andrefan’ny Nosy saingy ny faritra Atsimo Andrefana no tena misy azy. Orinasa goavana maro no manao izany asa fikarohana izany toy ny Madagascar Petroleum ao avaratra Antsohihy sy Toliary, ny Exxon Mobil ao Mahajanga ary ny Madagascar Oil ao Tsimiroro. Hany orinasa Malagasy eo amin’ny sehatra kosa ny Petromad izay tantanin-dRasolovoahangy Roseline ary miasa ao amin’ny kaominin’i Bezaha. Nivoitra nandritra ny atrikasa momba ny solitany teny amin’ny Centre de Conférence International Ivato omaly fa anisan’ny olana ho antsika ny tsy fananana mpiasa manana fahaizana manokana amin’ity sehatra ity ka mahatonga ireo orinasa mpitrandraka manafatra mpiasa vahiny. Midangana dia midangana anefa ny karaman’ireo vahiny ireo satria 1.000 dolara isan’andro no raisin’ny injeniera iray. Noho izany antony izany indrindra no anentanan-dRasolovoahangy ny fanjakana hanofanana ireo injeniera sy teknisianina Malagasy. Tsy hionona amin’izay anefa ny tenany fa mihevitra ny hidina eny anivon’ny sekoly Polytechnique Vontovorona hizara ny traikefany amin’ireo mpianatra. 

Andry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT