Actualités

Fitsirihana eny amin’ny OMAVET Mitombo isa hatrany ireo resy lahatra


  • Sabotsy 11 Novambra 2017

Mbola mitohy hatrany amin’izao ilay raharaha hifanolanan’ny fikambanan’ny taxi (FTAR) sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra mikasika ny fanovana ilay lanterne kely ho lehibe sy ilay fitsirihana tsy maintsy tanterahin’ny fiarakaretsaka eny anivon’ny OMAVET ho fiarovana ny ain’ny mpanjifa. Amin’ny ankapobeny dia ireo efa tena ratsy no matahotra ny fampiharana ireo fanovana vaovao ireo.

Anisan’izany ny tahotr’izy ireo  ny amin’ny mety tsy hahafahany miasa intsony aorian’ny fitsirihana hatao….Nanambara anefa ny OMAVET fa afaka mifampiraharaha tsara ny roa tonta. Afaka mividy kojakoja avy any ivelany koa ny fiarakaretsaka vao mandalo ao amin’izy ireo ary azo aloa tsikelikely ny sandan’izany ho an’ireo sahirana. Samy manana ny heviny moa ireo mpamily. Ampahany amin’ireny ireto sendra ny gazety Tia tanindrazana ireto.

Celestin, efa 38 taona ny nitondrana fiara karetsaka : Samy manana ny fomba fijeriny aloha ny tsirairay e ! Ho ahy, tsy misy ambadika politika ilay izy fa entina hanatsarana ny seha-pitaterana taxi eto an-drenivohitra mihitsy. Ho an’ny lantern, ohatra, dia hahafahana manafoana ny “clandestine” ny fametahana ilay lanterne be raha hahafahana mivoatra ihany koa ny fanaovana fitsirihana any amin’ny OMAVET.

Herizo, fito taona ny nitondrana fiarakaretsaka : Ny kaominina tsy mbola manery avy hatrany ny taxi ny amin’izay volavolan-kevitra tsy maintsy tanterahina avy amin’izy ireo fa mbola ao anatin’ny adihevitra isika izao. Ny mampalahelo anefa dia betsaka ireo mihinana am-bolony fa tsy mandalina tsara akory hany ka lany andro amin’ny fanoherana fotsiny.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT