Actualités

Fitsinjarana fanampiana ho an’ny traboina Misy zavatra tsy milamina


  • Alatsinainy 15 Janoary 2018

Toy ny efa mahazatra dia manomboka sahady ny ahiahy sy ny adihevitra mikasika ny fitsinjarana ireo fanampiana avy amin’ny malalatanana ho an’ireo traboina manerana ny nosy izay ny biraom-pirenena misahana ny resaka loza voajanahary na ny BNGRC no nampandraiketana ny fitsinjarana azy.

 

 Milaza ny tompon’andraikitra eo anivon’ity rafitra ity fa mangarahara ny fitsinjarana satria rehefa tonga eny anivon’ireo fokontany mila izany ireo fanampiana dia manao sonia ny lisitra avy any amin’ny BNGRC ny tompon’andraikitra tamin’ny fandraisana ireo fanampiana. Iny avy eo no haseho ireo mpamatsy sy ireo mpiara-miombon’antoka. Efa betsaka, raha ny fanazavana, ny fitarainana voaray mikasika ny fivilian-dalan’ny fanampiana ho ana faritra sasany, toa an’i Toamasina ary voalaza fa efa mandeha ny fanadihadiana. Inona ary no sazy ho an’ireo izay tratra ? Tsy misy tarehimarika azo omena mihitsy ve mikasika ireo halatra efa sarona na ho an’ny teo aloha na ho an’ny amin’izao fotoana ?  Ahoana no ahafahana manaporofo fa tena naharay tatitra avokoa ireo mpamatsy lazaina ho nanome fanomezana na ny avy any ivelany na ny avy eto an-toerana ? Mila mangarahara tena izy.


J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT