Mbola miandry ilay orinasa tsy miankina hahazo ny tolo-bidy hitantana azy vao hisokatra tanteraka ho azon’ny daholobe hidirana ilay zaridaina vaovao etsy Anosy, raha araka ny loharanom-baovao.
Hisy vidim-pidirana toy ny eny amin’ny ivontoeran-kafa ity toerana iray vao nohatsarain’ny fitondram-panjakana sy nandaniana vola hatrany amin’ny 300 tapitrisa Ar ity raha araka ny loharanom-baovao azo hatrany. Ny mba hahafahan’ny daholobe miala voly anefa no voalaza fa anisan’ny antony lehibe tena nanamboarana sy nanavaozana azy io. Tafiditra ao anatin’izany ny famerenana ny hasin’ny tanànan’Antananarivo, hoy hatrany ny fanazavana raha eo ihany koa ny hanomezan-danja indray ireo karazana kilalao Malagasy toy ny fanorona, ny sabaka … izay zary tsy fantatry ny ankizy ankehitriny intsony. Diso fanantenana avokoa anefa ny ankamaroan’ny sarambabem-bahoaka raha vantany nandeha ny feo fa hisy vola hiala any am-paosy indray vao ho afaka hiala voly amina toerana tahaka ireny. Efa saika mahazatra ny rehetra mantsy ny mahita ny ranon’Anosy amin’ny ankapobeny. Faharoa tsy hita ihany koa izay tena zavatra mahaliana ny olona napetraka ao anatiny ankoatra ny gorisagorisan’ny ankizy. Santionany amin’izany ireto sendra ny gazety Tia tanindrazana ireto.
Lolona, renim-pianakaviana niteraka roa : Izaho aloha tena tsy manaitra ahy ny hiala voly eo amoron’ny ranon’Anosy. Mbola tadidiko tsara rahateo fa toerana fanaovan’ny olona maloto izy io teo aloha. Raha hitondra ankizy hitsangatsangana indray tsy aleoko mankany Tsimbazaza mba mahita biby ?
Randria, raim-pianakaviana niteraka telo : Tsy tokony ho ireny amiko no handaniana vola. Raha tena tiana ny hampifaly ny vahoaka dia ny vidim-piainana no tokony hampidinin’ny fitondram-panjakana. Sady ohatra ny fanaovana tsinonintsinona ny kaominina ilay izy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.