Taorian’ny andrana natao tao amin’ny fitsarana Toliara sy Anosy Antananarivo tamin’ny fampiharana ny “fanafainganana ny fikirakirana ny antontan-taratasin’ady sy ny famoahana ny didy ary ny fampiharana azy, izay niarahan’ny polisy mpanao fanadihadiana sy ny fampanoavana mpanenjika ary ny mpitsara mpamoaka ny didy”
Dia nitarina manerana ny fitsarana ambony rehetra manerana ny nosy ny fomba fiasa io, izay tafiditra indrindra amin’ny fanamby 100 andro nataon’ny praiminisitra hahazoan’ny biraom-panjakana rehetra vokatra mivaingana. Ho an’ny fitsarana ambony Toamasina dia nanomboka omaly 01 aprily ny fampiharana izany. Nisy ny fanofanana sy fandaminan’asa vaovao niarahan’ny polisy misahana ny famotorana sy ny mpitsara misahana ny fanenjehana sy ny mpamoaka didy ary ny fandraharahana ny fonja izay mpampihatra ny didy mivoaka, fanofanana natao tao amin’ny fitsarana ambony Toamasina. Tafiditra ao anatin’izao RRI ataon’ny fitsarana ao Toamasina izao koa ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana, izay nampanaovina fanofanana manokana sy nanao ny fandaminan’asany manokana ihany koa. Ho fanamorana ny asa dia nisy ny fanolorana fitaovana nataon’ny minisiteran’ny fitsarana ny fitsarana ambony Toamasina, izay misahana ny fitsarana ao Maroantsetra, Ambatondrazaka, Moramanga, Vatomandry ary Toamasina I, anisan’izany ny finday hifanakalozana hevitra ho fanatsarana ny antontan-taratasim-panadihadian’ny polisy mpanao fikarohana, solosaina ary ireo fitaovana hafa hanamorana ny fanatontosana ny asa ao anatin’ny RRI. Ny fiaraha-miasa frantsay sy ny masohivoho sinoa no nanampy azy ireo ara-pitaovana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.