Actualités

Fitsarana ny raharaha 7 febroary Tsy manaraka paikady heloka, nivoaka ny fitsarana ny mpisolovava


  • Talata 24 Aogositra 2010

Olona miisa 19 no voarohirohy amin’ity raharaha 7 febroary ity. Misy amin’izy ireo no efa tazomina am-ponja vonjimaika amin’izao fotoana izao, efa herintaona mahery aza ny sasany. Omaly raha nandeha ny fitsarana ity raharaha ity tao amin’ny efitra faha-4 dia feno hipoka ny trano fitsarana.

Tonga maro teny amin’ity fitsarana ity ny mpomba ny ara-dalàna, torak’izany koa ny mpitandro ny filaminana. Ny mpisolovava ny filoham-pirenena Ravalomanana Marc ny Me Razafimanantsoa Hanitra moa dia nangataka ny hanemorana ny fitsarana satria nambarany fa misy tsy voahaja ny zon’ny voapanga. Tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany maraina no nanomboka ny fotoam-pitsarana ary samy nanao izay fiarovana izay na ny mpiaro ireo fianakavian’ny mpitory na ny mpiaro ny zon’ireo voapanga. Nilaza ihany koa ny mpiaro ny zon’ireo voapanga fa anisan’ireo antony tokony hanemorana ity fitsarana ity ny fangatahana fandravan’ady nataon’izy ireo eny amin’ny Fitsarana Tampony. Ity rafi-pitsarana ity no mamoaka didy na azo tsaraina na tsia ny raharaha ary manondro izay sampam-pitsarana hisahana izany, ka tokony handrasana izay didy avoakany araka ny nambaran’ny mpiaro ny voapanga. Nivoaka ny efitrano fitsarana izy ireo, raha mbola nikasa ny hanohy izany ny mpitsara. In-droa nisintona ny fitsarana ary dia nanapa-kevitra ihany ireo mpitasara tao amin’ny fitsarana ady heloka izay mandray ity raharaha ity fa ahemotra ny 26 aogositra indray ny fitsarana ity raharaha ity. 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT