Actualités

Fitsarana misahana ny kolikoly Minisitra am-perinasa iray voaantso


  • Talata 19 Desambra 2017

Minisitra iray ao anatin’ny governemanta no nahazo fampanantsoana teny amin’ny fitsarana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny « Chaine Pénale » ka tokony ho nohadihadiana omaly, saingy nahemotra ho amin’ny volana janoary.

 

 Resaka tsy mazava momba ny fananganana sekoly tany Ambalavao no antony nampanantsoana azy. Mety ananan’ny Bianco dosie izy ary tombanana avy hatrany fa mamofompofona kolikoly ny raharaha matoa ny fitsarana manokana momba ny raharaha kolikoly no nampiantso. Tsy hay anefa na hitohy ity raharaha ity na ho levona sy hanjavona tampoka ho toy ny tsy nisy. Olona ambony ao anatin’ny fanjakana rahateo, ary minisitra am-perinasa no hanaovana fanadihadiana, ka dia tsy hay izay mety ho tsindry bokotra miainga any. Tsiahivina fa raharaha fanodinkodinam-bola hoenti-manangana fotodrafitrasa, toy ny sekoly sy biraom-panjakana tamin’iny faritra Fianarantsoa iny no nanenjehana an’i Claudine Razaimamonjy. Mety ho avy indray ny « Claudine II » amin’ity raharaha kolikoly ity. Ny mahagaga, dia any amin’ny faritra Fianarantsoa no tena ahitana azy. Ny any an-toerana ihany ve no tena hisian’ny fanaraha-maso noho ny raharaha efa nampalaza an-dry Claudine Razaimamonjy sy ny ekipany ? Sa misy ihany any amin’ny faritra hafa fa tsy tratra ? Raharaha vaovao indray ity resaka mahasaringotra minisitra ity, ka dia miandry ny tohiny ny rehetra. Hizotra an-tsakany sy andavany ve ny fanadihadiana sa hosakantsakanana ? Raha voaporofo ny fisian’ny kolikoly avo lenta, dia hizaka ny saziny ve io minisitra io sa ho avy indray ny adim-borontsilozan’ny mpitondra ambony amin’ny fiarovana mivantana na ankolaka ny mpanao kolikoly, toy ny raharaha Claudine Razaimamonjy ?


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT