Nosokafana omaly alakamisy 23 febroary tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy ny taom-pitsarana ho an’ity taona vaovao 2017 ity
. Nanome voninahitra ny fotoana ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery. Fotoana io nanaovan’ireo antokom-pitsarana isan-tsokajiny ny tatitry ny taona 2016. Nisongadina fa tena mihisatra ny fomba fiasan’ny fitsarana eto Madagasikara. Betsaka mantsy ireo antontan-taratasy sy raharaham-pitsarana voasokajy ho vary mangatsiaka noho ny antony maro samihafa. Mahatratra hatrany amin’ny 50% mahery io antontanisa io amin’ny ankapobeny raha ny lahateny nifandimbiasana teny an-toerana. Sakana goavana tsy ahafahana manatontosa asa ara-potoana, ohatra, ny tsy fahampian’ny isan’ireo mpitsara sy mpiraki-draharaha. Manampy trotraka ihany koa ny lafiny fotodrafitrasa. Tsy nitsitsy fitenenana rahateo ny filohan’ny Holafitry ny mpisolovava maître Raharison Hubert nilaza fa matahotra sy tsy mahatoky ny fitsarana ny vahoaka Malagasy, hany ka mirongatra ny fitsaram-bahoaka ary tonga hatrany amin’ny fandorana ny trano fitsarana nandritra ny fitokanana ny trano vaovaon’ny fikambanan’ireo mpisolovava io omaly io. Mitombo be ihany koa ireo tranga fanaovana kolikoly eo anivon’ny fitsarana, araka ny fanamarihany. Mangataka ny fanaovana fanadihadiana sy fampijoroana birao manokana iadiana amin’ny kolikoly eo anivon’ny fitsarana moa ny lehiben’ny mpisolovava eto Madagasikara, araka ny tolokevitra efa naroso tamin’ny taona 2014.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.