Nahabe resaka tamin’ity volana ity ny raharahan’ilay teratany Frantsay Houcine Arfa, tokony higadra 3 taona eto Madagasikara nefa tafatsoaka.
Nivoaka ny resaka kolikoly avo lenta sy ny firaisana tsikombakomba. Nalaza ratsy sy tena afa-baraka ny minisitry ny fitsarana izay voalaza fa nandray 70 000Euros tamin’io vazaha io, teo ihany koa ny tale kabinetrany ary ny tonia mpampanoa lalàna izay voatonona ho nahazo 30 000Euros. Tsy misy afaka ny hitompo teny fantatra hoe : ny nambaran’iza no marina, ary ny an’iza no diso, afa tsy ny fanadihadiana lalina hivoahan’ny porofo rehetra mandiso sy manamarina ny nambaran’ny tsirairay. Ny an’ny filoha Malagasy Hery Rajaonarimampianina kosa, dia noboriboriany fotsiny tamin’ny hoe: mahatoky ny mpiara-miasa aminy, ary ny Malagasy toa azy no hinoany teny kokoa noho ny vahiny. Ny tsy azo lavina dia vao mainka manome endrika ratsy ny fitsarana ireny toe-javatra ireny, ary ny hitsaran’ny vahoaka azy, dia ny lohany indray no matsatso satria ireo heverina ho fitaratra aza zary lasa malaza ratsy noho iny resaka kolikoly iny. Ahoana tokoa moa no hatokisan’ny vahoaka ny fitsarana, raha ny lohany faratampony aza no reny fa nanao kolikoly avo lenta saingy boriboriana sy ezahina hampanginina fotsiny ny resaka ? Tsy misy ny fanazavana matotra sy azo tsapain-tanana manamarina na mandiso hoe madio sa maloto ireo voatonontonona, fa toa vitavitaina fotsiny amin’ny fiarovan-tena ara-politika hoe: mahatoky ahy ny filoha sy ny praiminisitra, dia milamina ny raharaha. Tsy natao hanenjehana ny Minisitra na ny manodidina azy, fa vao mainka manaratsy endrika azy sy ny fitsarana ireny. Toa ny mampiditra azy ireo ho any anatin’ny olona tahaka an-dry Claudine Razaimamonjy hoe nanao kolikoly sy nagalatra volam-panjakana aza dia vitavita ho azy satria arovan’ny fanjakana. Tsy ho tanteraka eto velively izany fahaleovantenan’ny fitsarana izany raha mbola Fitsarana eo ambany fifehezan'ny filohan'ny Repoblika sy ny praiminisitra tahaka izany. Mikorontana sy feno fifampitsabahana na tonga amin’ilay hoe: "juge et partie" foana ny mpitondra fanjakana, izay misalovana. Inona no fahatokisana sy fahaleovantena ho azo amin’izany ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.