Omaly no notontosaina ny fitsarana ilay resaka nalaza tato ho ato mikasika ilay vato lafo vidy meteorite. Olona telo no migadra amin’izao fotoana izao. Raikitra ny fifandaharana tao amin’ny efitra faha-6 teo amin’ny mpitory izay tompon’ilay vato sy ireo olona notoriany ho nanao halatra tamin’ny fitondrana fitaovam-piadiana.
Nanazava ny fandehan-javatra rehetra hatrany Toamasina tamin’ny fotoana nitrangan’ity raharaha ity voalohany ireo voapanga. Raha tsiahivina dia nanatona olona iray izay anabavina ministra tamin’ny andron’ny Amiraly filoham-pirenena ilay tompon’ny vato nilazany fa hitadiavana mpividy. Nilaza ihany koa izy fa tsy manam-bola entina mitady mpividy fa tsy maintsy mifanaraka amin’izay olona manam-bola entina mihetsika. Nisy tokoa ireo namatsy vola tamin’izany ka anisan’izany ireto voapanga ireto. Ny volan’ireo no nampiasaina ka na ny saran-dalan’ilay tompony mivezivezy Ambositra - Toamasina na ny hofan’ny hotely izay hipetrahany rehefa tonga ao Toamasina, ny vola ajanona amin’ny vady aman-janany any Ambositra dia ireto olona ireto avokoa no miantoka. Tsy iray anefa izy ireo fa maromaro ka tafakatra 40 tapitrisa ariary mihitsy ny volan’izy ireo efa lany hatramin’izao. Rehefa leon’ny fandrebirebena nataon’ilay tompon’ny vato ireto olona ireto satria im-betsaka no nahita mpividy izy ireo kanefa nampifilafilain’ilay tompony hatrany fa sandainy volabe isaky ny mihetsika izy. Ireo nilaza ho mpividy moa taty aoriana dia leo ihany koa ka tsy nisy hita intsony. Tezitra noho izany ireo tompon’ny vola niasa ka nitory ilay tompon’ny vato.
Teo no nanomboka ny gidragidra satria rehefa azo ilay vato dia napetraka tamin’ny olona iray izay nifandray tamin’ilay tompony ihany. Tsy hita anefa io olona io hatramin’izao ka ireo mpanambola tamin’ilay tompony indray no notoriany. Taty aoriana dia nifandray tamin’ilay tompon’ny vato ny zanaka ministra FAT iray ka io mihitsy no manery ny hisamborana ireo olona manam-bola amin’ny tompon’ilay vato. Naiditra am-ponja avokoa izy ireo taorian’izay, dia ny anabavin’ilay ministra taloha miaraka amin’ny zanany iray ary tatsambo iray. Omaly ny raharaha no niakatra fitsarana ka nifandahatra ny roa tonta. Betsaka ireo fanontaniana nataon’ny mpitsara tsy voavalin’ilay nilaza ho tompon’ny vato. Tahaka izany ny taratasy milaza fa azy ilay vato. Tahaka izany ihany koa ny taratasy manamarina fa “météorite” tokoa ilay izy. Amin’ny alatsinainy ny didim-pitsarana no mivoaka saingy nahavariana ny nandavan’ny Fitsarana ny fangatahana fahafahana vonjimaikan’ireo voapanga. Ankoatra izay dia nivoitra ihany koa fa nisy olona dimy hafa nitory ilay tompon’ny vato noho ny fisolokiana. Ireo olona telo voarohirohy ihany koa dia efa nametraka fitoriana tahaka izay omaly. Ho hita eo ny tohiny !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.