Raha ny ny fandaharam-potoan’ny zandary misahana ny heloka bevava, nandray an-tanana ny fanadihadiana mikasika ireo kaontenera efatra voasesika «bois de rose» saika haondrana an-tsokosoko, tratra tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny fiandohan’ity volana septambra ity, dia tokony ho ny sabotsy 18 septambra teo no niakatra fampanoavana ireo olona voarohirohy saingy raikitra tamin’ny ora farany indray izany fa nahemotra.
Araka ny fantatra dia namoaka taratasy ho an’ny vondrom-pitsarana Rtoa ministry ny fitsarana, milaza fa «ireo antontan-taratasin’ady mafana sy henjana ary saro-pady, dia tsy azo atao ny faran’ny herinandro ny fandraisana azy sy ny fisahanana azy eo anivon’ny Fitsarana». Mety ho io taratasy io izany no tsy naharaikitra ny raharaha. Olona folo izay sivily avokoa aloha raha ny fahafantarana azy no voarohirohy amin’izy ity hatreto, ka mpiasan’ny ladoany, «transitaire» mpikirakira ny fampidirana ny entana, mpamily izy ireo.
Afera maloto
Raha nandalo tao Toamasina ny jeneraly Camille Vital, nanara-maso mikasika ity raharaha ity, dia nanambara fa «tsy maintsy faizina araka ny lalàna izay ‘transitaire’ nisahana ny raharaha, ary esorina aminy ny fahazoan-dalana ahafahany manao ny asa fampidirana sy famoahana entana eo anivon’ny seranan-tsambo malagasy». Raha ny fandehan’ny dosie dia «transitaire» efatra avy amin’ny «Transit» efatra samy hafa no mifaningotra tamin’ity raharaha ity, ka ny telo avy ao Toamasina ary ny iray avy eto Antananarivo. Araka ny loharanom-baovao akaiky ity dosie ity koa anefa dia «tafiditra matetika amin’ny raharaha maizimaizina izy ireo ary manana dosie maromaro eny amin’ny fitsarana ny sasany. Misy aza no efa namita sazy am-ponja mihitsy vokatry ny afera maloto sy maizina nataony».
Nesorina avy hatrany tamin’ny andraikiny izay nanahirana tamin’ity raharaha ity. Mandeha koa anefa ny resaka izao fa misy Inspekteran’ny ladoany, any am-panaovana fialantsasatra any Matsiatra Ambony any, voalaza fa tafiditra amin’ity raharaha ity. Ny antony dia hoe «misy anarany sy soniany ny antontan-taratasy mikasika ireo entana ireo». Raha ny vaovao eny anivon’ny polisy misahana ny heloka ara-barotra sy ady amin’ny kolikoly, dia nametraka fitoriana ity mpiasan’ny ladoany ity noho ny fangalarana ny soniany sy ny anarany nanaovana asa maizina. Araka ny fantatra dia misy teratany vahiny karohina ihany koa fa tafiditra amin’ity raharaha ity. Ny mahagaga ny mpanara-baovao moa dia hoe maninona no tsy mety tratra mihitsy ireo tena atidohan’ity trafika raharaha “bois de rose” ity, fa toa ireo olona tsy nahalala na inona na inona indray no voasarangotra sy ihandronan’ny rihatra.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.