Tranga roa samy hafa nandalo teo anivon’ny fitsarana izay tokony ho niharan’ny lalŕna no votsotra avokoa noho ny hatanjaky ny kolikoly. Ady tany sy resaka vono olona no tena nahitana fa misy soritra kolikoly ny eo anivon’ny fitsarana ao
Mahajanga, hoy ireo vahoaka raha naneho hevitra amin’ny haino aman-jery. Fahafahana vonjimaika an’ireo olona voarohirohy no didy nivoaka. Nihena ny fitokisan’ny vahoaka ny fitsarana tato ho ato eo amin’ny famoahana didy satria dia matetika tsy mifanaraka amin’izany no mivoaka toy ny raharaha Marc Tatandraza izay nandika lalàna nefa mbola nahazo fahafahana vonjimaika hatrany. Zary lasa fanaon’ny fitsarana ao Mahajanga tokoa mantsy ity famoahana fahafahana vonjimaika ity rehefa misy raharaha mafana miseho, tsy ambakan’izany ny resaka kolikoly izay fototra ipoiran’ny tsy fahamarinana. Nilaza hatrany ireo vahoaka fa rehefa misy tranga izay tokony hampiharin’ny lalàna dia tsy alefa eo anivon’ny fitsarana intsony fa ny fitsaram-bahoaka no mety. Tsy araka ny lalàna misy eto amintsika ny fanatanterahana azy, nefa mety hahazo vahana raha tsy azo hitokisana intsony fitsarana.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.