Actualités

Fitsarana ao Ambatondrazaka Anjakan’ny tsy fahamarinana, hoy ny HAFARI


  • Talata 08 Desambra 2015

Fantatry ny fikambanana HAFARI avokoa ny fandehan-draharaha rehetra eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ambatondrazaka, raha araka ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety omaly.

 

 Anjakan’ny tsy fahamarinana ny ao an-tanàna, hoy ny filohany Rafanomezantsoa Jean Nirina, ka vitsy amin’ireo manana ny rariny miakatra fitsarana ao an-toerana no tafavoaka. Ankoatra izay dia nambarany ihany koa fa tena manjaka ao amin’ity fitsarana ity tokoa ny kolikoly izay misy tambajotra  henjana mihitsy noho ny hamaroan’ireo  mpanera sy mpikarama an-tselika izay tena mahazo vahana tokoa. Fitarainana marobe mifandraika amin’izany avy amin’ireo mponin’Ambatondrazaka no efa voarain’ity fikambanana ity, raha araka ny fanazavana azo hatrany, antony nahatonga azy ireo nidina  ifotony  nijery akaiky ny fandehan-draharaha tany an-toerana. Nomarihin’ny filohan’ny fikambanana HAFARI Malagasy moa fa efa nandefa taratasy any amin’ny minisitry ny fitsarana izy ireo mahakasika ity raharaha ao Ambatondrazaka ity, ny praiminisitra lehiben’ny governemanta ary ny  filoham-pirenena. Tsy hanaiky moa ity fikambanana ity raha tsy madio ny fitsarana ao Ambatondrazaka ka hitovy laharana amin’ny fitsarana etsy Anosy izay nambarany fa efa tena nahitana fivoarana be dia be tokoa. Namory an’ireo mpitantana HAFARI manerana ny nosy tetsy amin’ny foibeny etsy Anosizato moa  omaly ny birao foibe notarihan’ity filoha nasionalin’ny Hafari ity nampitovy fomba fijery sy fiatrehana ny fanajana ny zo fototra maha olona izay tarigetra imasoan’ny rehetra.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT