Actualités

Fitsarana any Toamasina Tsy hita popoka ireo "dossiers" hitsarana an'i Modjize Hassan


  • Sabotsy 18 Novambra 2017

Hatairana ny nahazo ny vahoakan'i Toamasina, afak’omaly, tao amin'ny tribonalin'i Toamasina. Voatondro fa ny datin'ny alakamisy 15 novambra ny hiakaran'ny raharahan'ilay teratany Karana malaza ho mpanefohefo sy mahitahita ary mpihetraketra amin’ny fiarahamonina any an-toerana.

 

 Tamin'ny ora farany anefa vao nisy ny filazana fa tsy raikitra indray satria tsy hita popoka ny antontan-taratasy mahakasika an’ity raharaha ity. Araka ny vaovao azo avy any an-drenivohitr'i Betsimisaraka, dia mateti-pitranga ny toe-javatra toy izao. Rehefa Ingahy Modjize Hassan Mouhamed no voatonona eny anivon'ny fitsarana dia tsy hita ny tena marina. Mampametra-panontaniana ny olona mifanandrina aminy ary nanamafy izany ireo "avocats" marobe tonga nanatrika ny fitsarana omaly. Tsiahivina ihany fa ity olona tokony hiakatra fitsarana ity dia efa tafatsoaka any ivelan'i Madagasikara na dia efa namoahana didy tsy mahazo mivoaka eto aza, volana vitsy lasa izay. Midika ve izany fa ireo antontan-taratasy rehetra mahakasika azy toy ny ady tany any Foulpointe, dia mety hanjavona sy nanaraka azy any ivelany any avokoa raha izao no dinihina ? Mitombo ny ahiahin’ireo niharan’ny herisetran’ity Karana ity  ankehitriny fa misy ambadika hafahafa ity raharaha mahavoakasika an’i Hassan Mouhamed ity.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT