Nahemotra rahampitso zoma 4 septambra indray ny fitsarana an’i Jean Pierre ilay mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo,
taona voalohany amin’ny lalam-piofanana malagasy nosamborin’ny mpitandro ny filaminana ny alatsinainy lasa teo. Namonjy fodiana avy hatrany ity farany, araka izany, mbola hanohy ny fitsaboan-tena tokony hataony mandritra ny telo andro, mialoha ny hanaovana analyse hijerena ny toe-pahasalamana rehetra izay vao haiditra hopitaly na tsia. Raha tsiahivina, « traumatisme multiple » no aretina mahazo an’i Jean Pierre. Tomefy olona teny amin’ny fitsarana omaly folakandro nahitana karazan’olona marobe toy ny olon-tsotra, ny fikambanan’ny tanora … Vesatra hanenjehana an’i Jean Pierre moa ny resaka fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana, ny fanonganam-panjakana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.