Fitsarana ambony Toamasina
Hotratrarina ny 60%-n’ny famoahana didy anatin’ny 100 andro.
X. Raha ny tanjona dia ny 60%-n’ny antontan-taratasy efa namoahana didy dia tsy maintsy vita avokoa ao anatin’ny 100 andro napetraka satria raha ny tarehimarika azo dia mahatratra 4.213 ny isan’ny didim-pitsarana tsy mbola vita ary 5.331 ny vary mangatsiaka. Mba entina hamitana ireo asa maika ireo dia nisy ny fanolorana fitaovana avy amin’ny minisiteran’ny fitsarana sy ireo mpanohana azy nahitana ny fiaraha-miasa frantsay sy ny Pnud ary ny masoivoho Sinoa, ka nanolotra solosaina sy fitaovana miaraka aminy niisa 16, finday niisa 5 ary “groupe” ialana amin’ny delestazy niisa iray. Solosaina 58 no azo tamin’ireo mpiara-miombona antoka, miampy ireo fitaovana avy amin’ny minisitera. Ankoatra izay, dia niangavy ny hanovana izany ny filoha voalohan’ny fitsarana ambony Atoa Ramananjatovo Harison, fa tena misy ny tsy fahamarinana sy ny fampijaliana ny mpandraharaha ny fitsarana, izay miteraka ireo vary mangatsiaka maro be ka lasa manaratsy endrika ny fitsarana malagasy rehetra.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.