Miverina mirongatra indray ny fitsaram-bahoaka amin’izao fotoana izao, ka tamin’ity herinandro ity dia olona 3 no matin’izany.
Mpangalatra omby miisa 2 indray mantsy no tratran’ny olona tany amin’ny Kaominina antsoina hoe Andranobe any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka, Faritra Alaotra-Mangoro omaly maraina ka nanamparan’ny fokonolona ny hatezerany. Maty vokatry ny vono sy ny daroka nahazo azy izy ireo. Ny iray kosa dia ilay tany Sonierana Ivongo, izay namonoan’ny olona lehilahy adala iray nikapa antsy zazakely iray sy reniny. Maty tsy tra-drano ilay zaza, ary naratra ilay ramatoa reniny, ka izay no naharomotra ny olona, izay nanampatra ny hatezerany tamin’ny fanalana ny ain’io adala io. Tsy tapitra hatreo araka izany ity resaka fitsaram-bahoaka ity, fa toa mitohy hatrany. Efa tena simba ny fiarahamonina noho ny antony maro: tsy fahatokisana manam-pahefana, ny rotorotom-pianinana, ny fahantrana… hany ka mahavita manaotao foana tsy te hahalala izany atao hoe lalàna izany intsony. Tsy vahaolana anefa izany ary tsy tokony hatao fialana bala amin’ny fandikan-dalàna. Toa tafita any amin’ny vahoaka sasany kosa ny leson-dratsin’ny mpitondra amin’ity fanomezana vahana ny tsy maty manota ity, ka manao ny ataony ny olona, na efa hitany izao aza fa tsy mety sy tsy ara-dalàna ny zavatra ataony. Manjaka loatra ny kolikoly eto amin’ny firenena, saingy toa afa-maina avokoa ireo tompon’antoka. Hita fa tena sempotra ny fitondram-panjakana, kabary no betsaka saingy hatreto aloha dia mbola mirongatra io ny fitsaram-bahoaka fa tsy mety voafehy, indrindra fa ny any amin’ny faritra.Efa tena mifamono ny samy sivily, mifamono ny fokonolona sy ny malaso fa asa hoe lasa aiza daholo ireo jeneraly marobe sy manampahaizana amin’ny resaka filaminana sy ady no tsy mahavita mandrafitra paikady nasionaly iadiana amin’ny asan-jiolahy ary hampihenana sy hanafoanana ny resaka fitsaram-bahoaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.