Actualités

Fitsaram-bahoaka Miantso fitoniana ny minisitry ny polisy


  • Alatsinainy 13 Febroary 2017

Miantso ny fahatsiarovantenan’ny polisy am-perinasa ny minisitry ny filaminana anatiny ny controleur Générale Anandra Norbert raha nandray fitenenana nandritra ny famoahana ireo mpianatra ho polisy tao Antsirabe.

 

 Nahitsy ny teniny nilaza fa aoka hieritreritra isika satria mety avy amin’ny fitondrantenantsika no mahatonga ireny tranga fitsaram-bahoaka ireny. Ny polisim-pirenena dia natao hanompo ny vahoaka fa tsy hotompoin’ny vahoaka. Antso avo no nataony tamin’ny vahoaka mba hanana fitokisana amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana mba hanafoanana ny fitsaram-bahoaka. Mety ho fianakaviantsika ihany no ho tratran’ireny fihetsika tsy voahevitra ireny, ary mety ho marobe ny voarohirohy rehefa mandeha ny fanadihadiana, hoy izy. Efa misy moa ny fepetra raisin’ny eo anivon’ny polisim-pirenena manodidina ny fitondrantenan’ny polisy manokana. Nitombo ny isan’ny polisy vaovao vao noraisina tamin’ity satria 750 ireo vao niditra indray ary hiakatra 1050 indray amin’ity taona ity. Mpianatra ho polisy niisa 600 indray no hanatevina ireo polisy efa am-perinasa. Navoaka ny zoma 10 febroary lasa teo ireo polisy vaovao ireo, tao amin’ny sekolin’ny polisim-pirenena Antsirabe ka niisa 100 tamin’izy ireo no Inspecteur ary 498 no Agent de police satria nitsoaka an-daharana ny roa. Nisalotra ny anarana “Meva” ireto andiany faha-23 ireto izay midika ho “Maturité – Endurance – Volonté – Action”. Ny 53 tamin’izy ireo no vehivavy. Nandritra ity fivoahan’ireto mpianatra ho polisy ireto ihany koa no nahafantarana fa ny 76 tamin’izy ireo dia voafantina sahady ao anatin’ny sampana hery vonjy taitra ary efa nanaraka fiofanana manokana tamin’izany. Nambaran’ny talen’ny sekoly ny Kaomisera divizionera Andrianairinaharivelo Yves fa anisan’ny nampiavaka ireto andiany ireto ny fiofanana nomena azy ireo satria izy ireto no nisantatra ny fanavaozana tamin’ny fandaharam-pianarana tao amin’ny sekoly.


Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT