Mikorontana tanteraka ny firenena amin’izao fotoana izao. Tsy voafehin’ny mpitandro ny filaminana intsony ny fandriampahalemana, fa tena mandry andriran’antsy ara-bakiteny ny vahoaka.
Tsy arakaraka ny fanambazana ny fikenankenana ataon’ny mpitondra amin’ny mpitandro ny filaminana ny zava-misy fa vao mainka mirongatra ny fitsaram-bahoaka. Tsy ampy am-bolana maro akory no nampiakarana galona ny manamboninahitra miisa 52, izay nohamafisina fa vokatry ny asa vitany no antony saingy izao iarahan’ny rehetra mahita izao ny zava-misy. Any amin’ny firenen-kafa dia mahatsapa tena mametra-pialana ny tompon’andraikitra tsy mahafehy ny asany sy ny andraikitra nankinina taminy. Tsy mba izany no misy eto amintsika. Matoa mirongatra ny tsy fandriampahalemana dia tsy mahavita ny asany ny mpitandro ny filaminana. Tokony hiaiky fa tsy nahatontosa ny andraikiny, ka mametra-pialana ireo tompon’andraikitra voalohany voakasika, toy ny ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria Jeneraly Paza Didier Gérard, ny minisitry ny polisy Anandra Norbert, ny minisitry fiarovam-pirenena ny jeneraly Rasolofonirina Beni Xavier. Ekena fa tsy mora ny andraikitra sahanin’izy ireo saingy misy ihany ny hita fa tena vokatry ny tsy fandraisan’andraikitra, toy ny resaka fitsaram-bahoaka. Nahatratra 54 no matin’izany ho an’ny taona 2016 ary efa mananika ny 20 hatramin’ny fiandohan’ny taona 2017. Milaza ho mandray andraikitra hatrany ireo tompon’andraikitra ambony misahana ny fitandroana filaminana, kanefa toa resaka no betsaka ary fandre matetika ny hoe efa mandeha ny fanadihadiana rehefa misy ny raharaha mafampana. Tsy hay na efa tsinjon’ny minisitry ny polisy Anandra Norbert ny mety tsy hahavotazona azy amin’ny toerany intsony, ka nilaza ny tenany omaly fa toerana fandalovana ihany io. Nilaza ity tompon’andraikitra ity omaly, fa tsy ny polisy araka ny vaovao efa nivoaka tamin’ny haino aman-jery maro no nandoro sy namaly faty tany Befandriana Avaratra, noho ny resaka valifaty nahafatesana polisy 2, fa ny mponina ihany no nahavanon-doza nandoro ny tanànany. Olona 45 no efa nosamborina sy nalefa any Antsohihy hanaovana fanadihadiana raha ny vaovao farany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.