Nanao tatitra ny fanaraha-maso nataony tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka ny 17 novambra lasa teo ny KMF/CNOE. Maro ireo tsy fahatomombanana sy fandikan-dalàna nataon’ny tomponandraiki-panjakana sasantsasany tsikaritry ny mpikambana ao aminy mialoha sy nandritra iny fakana ny hevitry ny olompirenena iny ka nahatonga ny KMF/CNOE hanambara fa ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana farany teo no nahitany lesoka be indrindra tao anatin’ny roa taona nanaovany fanaraha-maso fifidianana teto amin’ny firenena.
Anisan’ny tsikariny ka notsikerainy nandritra ny fampielezan-kevitra ny fanazavana ny volavolan-dalàmpanorenana nataon’ny mpitondra fanjakana izay miendrika fampifidianana ny Eny amin’ny alalan’ny fampiasana ny teny hoe : «io no lalàmpanorenana tsara indrindra». Ao koa ny fandraisan’anjaran’ny Chef Cisco tao Mahanoro sy Betafo tamin’ny fampielezan-kevitra miampy ny fitetezam-paritra maro nataon’i Andry Rajoelina izay niteraka savorovoro tao an-tsain’ny mpifidy raha fifidianana filoham-pirenena no tanterahana fa tsy fitsapan-kevi-bahoaka. Mbola notsindriany koa ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana toy ny fananan’ny oloa iray kara-pifidianana maromaro sy ny olona efa maty mbola nahazo kara-pifidianana toa izay nitranga tao amin’ny Fokontanin’i Talatamaty Fianarantsoa. Biraom-pifidianana 430 amin’ny Fokontany 406 anatina Kaominina 108, distrika 50 ary faritra 18 kosa no nananan’ny KMF/CNOE solontena nanara-maso ny fizotry ny fifidianana ny tontolo andron’ny 17 novambra ka voamarik’izy ireo tamin’ny tatitra nalefany aty amin’ny foibe ny tsy fanajana ny lalàm-pifidianana.
Anisan’izany ny famenoan’ny delege sonia mialoha ny firaketana an-tsoratra toy ny tao Mahajanga I sy ny fidiran’ny mpitandro ny filaminana mitondra basy anaty birao fandatsaham-bato. Nomarihany manokana ny tranga tao amin’ny Fokontany Ranomafana sy Antafintenina Kaominina Ifanadiana sy Ranomafana izay nisian’ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita iray niditra tamin’ny birao fandatsaham-bato miaraka tamin’ny mpiambina azy mba hametraka delege. «Sady tsy fanajana ny lalàna izany no fampihorohoroana koa», raha ny fanambarana ihany. Ao koa ireo mbola ninia nanao fampielezan-kevitra tamin’io andron’ny 17 novambra io tamin’ny alalan’ny fanaovana ny akanjo misy soratra Eny ary ny fampirisihana ny olona hifidy ny Eny nataon’ny delege sasany. Nanana delege avokoa ny mpanohana ny Eny tamin’ireo birao fandatsaham-bato 430 ireo raha latsaky ny 1% kosa no nisy ny delegen’ny Tsia. Na dia tsy nanome ny heviny momba io aza ny KMF/CNOE dia mazava fa afaka nanao izay danin’ny kibony tamin’ny fanovana ny vokatra na koa fampitomboana ny isan’ny mpifidy ny mpanohana ny Eny tamin’ireo toerana ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.