Raha ny zava-nitranga omaly nandritra ny fitsapan-kevi-bahoaka teo amin’ny lafiny fikarakarana sy teknika madiodio no resahana dia mahazo rariny ireo nanentana ny tsy hifidy satria ana hetsiny ireo olom-pirenena manerana ny nosy no tojo fahasahiranana sy voarirarira, ary ny farany dia tsy afaka nifidy.
Nisy ihany ny fanambarana avy amin’ny fitondrana tetezamita ny amin’ny hoe hitarina hatramin’ny 6 ora hariva indray ny fisokafan’ny birao fandatsaham-bato rehetra manerana ny nosy, azo hifidianana ny kara-panondrom-pirenena sy ny kara-pifidianana teo aloha na koa karinem-pokontany; saingy efa tsy nampiraika ireo olona voatery niverim-potsiny, satria tsy voasoratra tao anaty lisi-pifidianana izany. Nitombina ary voaporofo omaly ny ahiahin’ireo rehetra nanakiana ity fitsapan-kevi-bahoaka maimaikan’ny FAT ity, ary vao mainka aza nanamarina izany ny fanapahan-kevitra tampoka noraisin’ny governemanta hampihemotra ny fikatonan’ny birao fandatsaham-bato sy ny filazana fa azo ampiasaina indray ny kara-pifidianana teo aloha.
Hita tany amin’ny Fokontany maro teto an-drenivohitra sy tany amin’ny faritra, araka ny fampitam-baovao voaray ny fahadisoana tao amin’ny kara-pifidianana, na diso ny anarana sy ny fanampin’anarana, na diso ny laharan’ny CIN, na olona mpivady iray trano izao dia samy hafa ny adiresiny. Fa ny niraisan’ny rehetra dia ilay daty nahaterahana tsy mazava fa nambara hoe : «né vers», izany hoe tsy voafaritra mazava ny daty nahaterahan’ilay olona. Tsy dia mahagaga izany ho an’ny any ambanivohitra satria maro be ny olona tsy manana kopia nahaterahana, fa ho an’ny eto an-drenivohitra kosa dia hafahafa ihany io tranga io, ary tena nahatalanjona ny maro, satria tsy azo eritreretina mihitsy hoe, olona efatra ao anatina fianakaviana iray eto an-drenivohitra dia tsy misy fantatra mazava ny daty nahaterahany. «Voasoratra mazava tao anatin’ny kara-pifidianana rehetra nisy hatramin’izay anefa io daty io, koa nahoana no natao hoe «né vers» tamin’ity indray mitoraka ity», hoy ny raim-pianakaviana iray. Izay ny amin’iny fa niteraka savorovoro teny amin’ireo birao fandatsaham-bato ihany koa ilay hoe : na tsy nahazo kara-pifidianana aza dia afaka mifidy amin’ny alalan’ny kara-panondrom-pirenena, raha hita ao anaty lisitra ny anarana.
Ny zava-nitranga dia tsy hita tao anaty lisi-pifidianana ny anaran’ny ankamaroan’ireo olona tsy nahazo kara-pifidianana, koa dia tsy afaka nifidy izy ireo. Raha araka ny fampitahana natao dia tamin’ity fitsapan-kevi-bahoaka notanterahana omaly ity no latsaka ambany indrindra ny tahan’ny fandraisan’anjara teto Antananarivo renivohitra, noho ireo fahasamponana ireo. Mametra-panontaniana ary eto ny mpanara-baovao hoe : inona indray no fialana bala ho ataon’ny CENI, ary iza indray no omena tsiny ? Hita mibaribary izao ny vokatry ny fikoropahana sy ny fihazakazahana nanamboatra ny lisi-pifidianana sy ny kara-pifidianana, diso avokoa ny zava-drehetra ary tsy misy mandeha amin’ny laoniny. Ny mampanahy ny maro ihany koa anefa dia mety niniana natao ihany izao mba hanilihana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana tetezamita, koa dia ho lany mazava be ny «Eny». Ny ahiahy moa tsy hihavanana, hoy ny fitenintsika koa dia miandry izay hambaran’ny manampahefana manoloana ireo tandrevaka ireo ny olona. Na izany aza anefa dia maro sahady no milaza fa tsy azo itarafana mihitsy ny safidim-bahoaka ny mety ho voka-pifidianana hivoaka eo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.