Actualités

Fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalŕmpanorenana Hanomboka amin’ny 28 jona ny fampielezan-kevitra


  • Alarobia 09 Jona 2010


«Raha tonga eto am-pelatananay ara-potoana ny lalàmpanorenana dia ny 28 jona amin’ny enina ora maraina no hisokatra ny fampielezan-kevitra momba ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana hatao ny 12 aogositra. Raha tsy izay no mitranga, dia hitadiavana daty hafa ny hanaovana azy». Io no fanazavana nentin’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana na CENI, Rakotomanana Heriniaina, tao amin’ny onjampeon’ny Fréquence Plus omaly hariva. Mazava fa dia mitodika any amin’ny CENI ny sain’ny mpanara-baovao maro taorian’ny nilazan’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Komity mpikarakara ny dinika santatra sy ny fihaonambem-pirenena fa hahemotra amin’ny daty tsy mbola fantatra izany raha tokony ho natao ny 8,9,10 jona 2010 sy ny 14, 15, 16, 17 jona 2010. Ho sarotra ihany ny handrafetana ara-potoana ny lalàmpanorenana ka hahatongavany eny am-pelatanan’ny CENI ny 28 jona, hahafahana mitazona ny datin’ny 12 aogositra. Hatreto aza tsy fantatra akory izay fotoana hanatanterahana ny dinika santatra izay heverina fa hatao eny anivon’ny distrika sy ny fihaonambem-pirenena. Tsy hatao mahagaga raha hisy daty vaovao indray hambaran’ny CENI atsy ho atsy hanaovan’ny FAT izany fitsapan-kevi-bahoaka izany. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT